Nisantatra ny fizahantany amin’ny fandehanana amin’ny sambo vaventy ny sambo The World. Niantsona tany amin’ny morontsiraka ao amin’ny Valanjavaboahary Baly, Tsingy Namoroka, any Soalala, ity sambo ity, ny 23 septambra teo. Taorian’ny faritra Boeny, nihazo ny any Antsiranana, faritra Diana, indray izy io, nahitana mpandeha 198. Nihazo ny Valanjavaboahary Masoala, […]
Other News
RN13: Madiva ho vita ny asa
Mitohy ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha-13, ampahany voalohany, mampitohy an’Ambovombe sy Taolagnaro. Ho vita tanteraka tsy ho ela ity lalana ity, mirefy 114 km. Nanomboka tamin’ny taona 2023 ny asa, ary manatanteraka izany ny orinasa Colas sy ny Top international. Mitentina 235,5 tapitrisa euros ny nanatanterahana ity ampahany voalohany […]
Foara « IATF » : Nasongadin’i Madagasikara ny PICM tany Alger
Natao ny 4 hatramin’ny 10 septambra teo, tany Alger, ny Foara ara-barotra ho an’ny afrikanina (IATF 2025) andiany fahefatra. Anisan’ny hetsika ara-toekarena lehibe indrindra aty Afrika ity natao ity. Nahavory mpitsidika maherin’ny 35 000 avy any amin’ny firenena miisa 80 sy orinasa mpandray anjara maherin’ny 2 000 ny “IATF”. Nanohana ny foara […]
Mampiahiahy : Lehilahy hita faty teo amin’ny seranan-tsambo
Raim-pianakaviana iray sahabo ho 45 taona hitan’ny mpiasan’ny seranan-tsambo hamonjy asa vao maraina, ny talata faha-7 oktobra teo, tokony ho tamin’ny 4 ora sy 30 mn, nitsirara mifanakaiky amin’ny tobin-tsolika iray ao Ampasimazava – Toamasina. Nandritra ny fandalovan’ny mpanao gazety teny an-toerana, raha nanontany ireo rehetra nanatri-maso, mpivarotra sakafo masaka, mpiasan’ny […]
Seces: “Tsy hifampiresaka raha tsy misy fitoniana”
“Raha mbola misy ny famonoana an’ireo zanakay, mbola tsy hiroso amin’ny fifampiresahana aloha ny Seces”, hoy ny avy amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces), Andriamasinoro, teny Ankatso, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena izay iantsoana fifampidinihana. Nefa vonona amin’izany ny Seces, rehefa tonga amin’ny fitoniana sy tsy fikasihana an’ireo zanany. […]







