Tsy tafiditra ny birao ny sefo fokontany vaovao eny Avaratetezana Ambohimanarina. Efa nivoaka ny naoty nanendry azy saingy nanohitra izany ny fokonolona eny an-toerana. «Tsy mipetraka ao amin’ny fokontany ity olona notendrenan’ny lehiben’ny distrika ity», hoy ny mponina. Efa nahangona sonia amin’arivo izy ireo nanoherana izany. Tsy tokony ho laniana […]
Other News
Filoha lefitry ny Antenimiera, depiote Fetra: « Mbola vonjimaika ny fanendrena sefo fokontany »
Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Ralambozafimbololona Andriantsivoafetra, fa tsy maintsy mbola hirosoana ny fifidianana filoham-pokontany. « Mbola fepetra vonjimaika ny fanendrena sefo fokontany ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra aloha izao », hoy izy. Nolazainy fa tena nisy tokoa ny hetaheta teny an-dalambe nivoaka tamin’ny tolom-bahoaka ny amin’ny tokony hifidianana ny sefo fokontany. […]
Aim-pirenena
Hanao ahoana ihany ny fikaonandoham-pirenena? Maro ny miandry fatratra. Ho amin’ny tena fanavaozana sa… ? Sanatria, ho ady saritaka noho ny paipaika sy kajikajy politika mahazatra ny sasany, na noho ny torapo tsy mahafa-bela ny hafa… Na ahoana na ahoana, mila mitandrina sy malina. Amin’izany, manara-maso sy mifanara-maso: iza no […]
Hafatra Pentekosta FFKM : “Aoka ho fiainantsika ny 4 F”
“Aoka ho fiainantsika ny 4 F: fiaiken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana”. Izay ny hafatra Pentekosta FFKM, nampitainy omaly. Tao anatin’ny Fanambrana sy hafatry ny Komity foibe 47 sy fihaonambe FFKM, ny 19-21 mey 2026, nosoniavin’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tsy ho filamatra fotsiny ny 4 F, fa ampiharina eny an-tokantrano sy ny […]






