Other News

TARATRY ny KANTO

Fianarana teny malagasy. Mbola maro ny fanarenana miandry. Mila miditra bebe kokoa any amin’ny fitsipi-panoratana ny fandaharam-pianarana amin’ny taranja malagasy. Efa maro rahateo ny fikarohana vita momba azy io ka mila havoaka sy hampitaina amin’ireo taranaka mifandimby. Averina sy hamafisina ny famakian-teny, satria, tanora malagasy maro be, ankehitriny, no tsy […]

Fiarahamonina : Fihaonan’ny psikôlôjia sy kolontsaina

Hetsika tsy fahita firy. Hotanterahina ao amin’ny Batiment AUF Faravohitra, efitrano faha-17, ny zoma 26 oktobra izao ny velakevitra hifaka amin’ny lohahevitra: «Ny fiarahamonina malagasy sy ny fanapoizinana, ny takaitra, ny faharetana, ny fahaiza-miarina». Haneho ny heviny sy ny voka-pikarohany ary ny traikefa ananany momba io Randriamanana Kolo, psikôlôgy sy […]

« Feo maroloko » : Fampiarahana talentan’i Farakely, Rija R. ary ry Johary

Mahalaza azy ny lohatenin’ny fampisehoana. Samy manana ny hanitra ho azy ireo mpanakanto nosafidiana hiray sehatra, hamoaka ilay « Feo maroloko ». Hanaraka izay koa ny mozika holalaovina. “Sarin’ny mozika eto anivon-tany io”. Izay no namintinan’i Rija Ramamantoanina ny “Feo Maroloko”, seho hotontosaina ny alahady 28 septambra izao, manomboka amin’ny […]

TSELATRA

Nivadika teny amin’ny lalam-pirenena voalohany ny taksiborosy iray, teo anelanelan’i Miari­narivo sy Amboalefoka, omaly tamin’ny 11 ora sy sasany. Nentina namonjy hopitaly ao Miarinarivo avy hatrany ireo naratra. Tsy nisy ny namoy ny ainy, araka ny angom-baovao. Kodiarana vaky no nitarika ny loza. Sigara hosoka miisa 57 000 fonosona sarona tao […]