Other News

Ady amin’ny fahaverezan’olona: Mpitandro filaminana an-jatony hahetsika

Manoloana ny fanjavonana zanaka malagasy, miafara amin’ny famonoana ho faty azy ireny, nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly hariva. «Tsy afaka handefitra ny tenany, amin’ny maha Praimini­sitra azy, fa vonona hiatrika ady, na iza na iza ambadik’ireny tranga fanjavonana sy vono olona […]

Fiara nivarina tany anaty rano : Lehilahy roa namoy ny ainy tetsy Tsarasaotra

Nahitana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Rocade Tsarasaotra, fokontany Sampanana Ambodifasina, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly alina tamin’ny 11ora alina mahery tany ho any. Olona nandalo no nahita ny tranga ka nampandre ny mpitandro filaminana. Tonga nampakatra ny fiara sy nikaroka ireo olona tao anatiny ny mpamonjy voina. […]

Profesora Ranaivoson Jeannot Fils : « Mampandroso ny firenena ny fampiasana ny teny »

« Raha hitady asa, tsy ny teny malagasy no hitsapana ny fahaizan’ny olona iray nefa io no teny hain’ny olon-drehetra. Raha ny teny malagasy ihany no hay dia toy ny olona tsy mahay na inona na inona », hoy ny fanazavan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Anta­na­narivo, ny profesora Ranai­voson Jeannot Fils, momba […]

Karate-« Coupe Internationale » : Atleta maherin’ny 400 no andrasana

Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 10, 11 ary 12 jolay izao, ny fifaninanana « Coupe Internationale d’An­ta­nanarivo », taranja karate. Atleta maherin’ny 400 no andrasana amin’izany. Efa vonona ny fikarakarana ary efa manomboka tonga eto an-toerana, ny alahady teo, ireo mpikatroka avy amin’ny firenena hafa nasaina. Ho an’i Mayotte, 12 […]