Other News

Vahoaka hendry

  Tsy misy vahoaka resy eo amin’ny taniny, hoy ny mpanao politika iray izay. Tsy misy ny resy tsy miady, fa tsy misy koa ny mandresy tsy miady. Mila miady amin’izay mahazo azy ny vahoaka? Indrindra amin’izay zo fototra tokony hositrahany. Toy izany koa ny amin’izay nampanantenaina na fanambin’ny mpitondra […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : « Tsy azo ekena ny kolikoly sy ny gaboraraka »

Nitarika ny fananganan-tsaina voalohany teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly, ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy. Nisy hafatrafatra sy toromarika nomeny ho an’ireo mpiara-miasa. Hentitra sy nahitsy. Ani­san’ny nasongadiny ta­min’ny lahateniny ny toetra tokony hananan’ny tsirairay eo am-panatanterahana ny asany. Anisan’izany ny soatoavina fototra miisa telo. Eo ny fanajana sy ny fihavanana […]

TSELATRA

Olona fito tra-tehaky ny polisim-pirenena teny Ivato, saika hiondrana any ivelany, ny alakamisy 30 oktobra lasa teo. Tsy fantatra mazava ny anton’ny dian’ireo olona ireo ka voatery nohazonina natao famotorana, hoy ny loharanom-baovao. Lehilahy iray mpitondra moto namoy ny ainy teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, teo Sambaina, omaly. Voahitsaky ny kamiao […]

Mpisakaiza namono tena: Nivoa-dra ny oron’ilay lehilahy hita faty

Nivoa-dra tanteraka ny ta­van’ilay lehilahy hita faty tao ambanin’ny tetezan’Ankadin­dra­tombo, fokontany Mandro­se­za, boriborintany faharoa, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 22 minitra. “Nitsambikina teo ambonin’ny tetezana io lehilahy io sy ny sakaizany izay voa­laza fa bevohoka, ny alin’ny alahady 2 novambra teo, tamin’ny 8 ora”, hoy ny fanazavan’i Rijaharisoa, mponina […]

Halatra omby: Dahalo roa maty

Dahalo roa maty, olona valo naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo mpangalatra omby tao Antabika, fokontany Antranokaky, kaominina ambanivohitra Vineta Andama­siny, distrikan’i Sakaraha, ny alin’ny alahady 2 novambra lasa teo. Nidiran’ny dahalo telopolo mahery ity tanàna ity. Araka ny vaovao azo, omby 107 nalain’ireo jiolahy, tafaverin’ny fo­konolona. Nanao fanarahan-dia ny […]