Other News

Famokarana ambanivohitra : Fampiofanana ho an’ny vehivavy

Vita sonia ny 9 septambra teo ny fiaraha-miasan’ny telo tonta. Nanatanteraka izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleovatena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fampanananasa, Rasoloa­ri­soa Marie Marcelline, ary ny filohan’ny Federasionin’ny ve­hivavy avy any Hunan Sina, Yang Lansing. Tanjona ny hanofanana ny vehivavy ara-pamokarana, […]

Tsy soa fianatsa!

  Nahoraka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fikomiana nataon’ny mponina ao Nepal, omaly. Nodoran’ny olona velona ny vadin’ny praiminisitra. Nifanenjehana manerana ny tanàna ny minisitry ny Fitantanam-bola. Nopotipote­hin’ny olona ny lapam-panjakana sy ny toerana noheverina ho fanangonana ny haremben’ny mpitondra. Niaiky ny faharomotan’ny olona ireo mpanara-baovao. Mampihorin-koditra tokoa, tena hoe miverina aotra […]

Fanatsarana ny velon-tena : Ala honko 15 000 ha harenina any Boeny

Harenina ny ala honko any amin’ny faritra Boeny. Tsinjovina ihany koa ny velon-tenan’ny mponina eny ifotony. Tafiditra amin’ny tetikasa iray an’ny Bôndy Madagasikara izany. Nanomboka ny taona 2021 ny tetikasa Honko, tanterahin’ny orinasa Bôndy. Miisa efatra ny faritra iasany, Diana, Sofia, Boeny ary Melaky. Tanjon’ny tetikasa ny hanarenana ny ala […]

TSELATRA

Jiolahy iray lavon’ny zandary tany Betioky Atsimo, afakomaly alina. Nikasa hanafika tranon’olona iray tany an-toerana izy ary nifanehitra tamin’ny zandary mpanao fisafoana tao an-tampon-tanànan’ny kaominina Bezaha. Nandositra ary voatifitry ny zandary ka lavo. Jiolahy raindahiny ary fanta-daza amin’ny resaka vaky trano sy efa mpamerin-keloka sy efa nigadra matetika ihany koa […]

Nodomin’ny fiara : Mpitondra bisikileta iray namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny kaominina Ampi­tatafika, distrikan’Antanifotsy, faritra Vakinankaratra, lalam-pirenena fahafito, omaly tamin’ny 1 ora atoandro. Fiara kely iray, marika Daihatsu, no ni­faoka mpitondra bisikileta iray. Avy aty Antananarivo, handeha hianatsimo io niavian’ny loza io, raha ny tatitra voaray. Vokany, maty tsy tra-drano ilay rangahy noho ny […]