Nidiran’ny olon-dratsy ny tokantrano iray teny amin’ny Bibilava, fokontany Ambohipo, boriborintany faharoa, omaly maraina. Voaroba ny vola 700 000 Ar niampy solosaina. Tsy nisy nahatsikaritra ny fidiran’ireo mpanao ratsy ny olona tao an-trano. Ahina ho tamin’ny 1 hatramin’ny 3 ora maraina no nanaovan’ireo mpangalatra io asa ratsy io. Jiolahy raindahiny iray […]
Other News
Telo mianaka nolerana antsy: Voasambotra ilay nahavanon-doza
Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ilay raim-pianakaviana nanindrona antsy ny renin-janany sy ny zanany vavikely miisa roa, tao amin’ny fokontany Tsararano ambany, kaominina Mahajanga. Nisaraka nandritra ny efa-bolana izy mivady ka nifindra nonina tany amin’ny rahavaviny ilay renim-pianakaviana sy ny zanany, hoy ny loharanom-baovao. Tonga tampoka tao amin’io trano nisy […]
Fitakiana fisotroan-dronono : Miantso fifampiresahana ny minisitera
Valin-kafatra. Nitondra fanazavana manoloana ny fitakiana ny fisotroan-dronono sy fanomezana fe-potoana 48 ora ny fitondram-panjakana ny minisiteran’ny Foloalindahy, omaly, tao Antsirabe. Nitondra fanazavana sy niantso fifanatonana ny minisitra, ny Jly Razafitombo Maminirina. « Tsy ao anatin’ny kitapombolam-panjakana izany ary tsy zon’izy ireo », hoy izy. Notsiahiviny fa nanome tambiny ny mpiasam-panjakana ny […]
Fiara nivadibadika : Olona roa maty, sivy naratra mafy
Nivadibadika ny fiara mpitatitra olona iray, teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly maraina. Mpandeha roa tao anatiny maty tsy tra-drano. Sivy hafa naratra mafy. Nandeha mafy ny mpamily ka tsy nahatana ny familiana, nahatonga ny loza. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ ny lalam-pirenena fahafito, omaly maraina tamin’ny 3 ora […]
Tarika Manan’Ara : Hanamarika ny faha-10 taona
Tarika manome lanja ny mozika misy fanahy. Iray tamin’ireo nisafidy ny hivoy ny mozika arahin-gitara sy ireo zavamaneno mifameno aminy ny Manan’Ara. 10 taona izay no nisian’ny tarika, ka homarihina izany. Ho fanokafana azy, hisy ny seho hotontosain’ny Manan’Ara ny zoma 22 mey izao, eny amin’ny Pho Resto Ivato. «Ho […]






