Tarika manome lanja ny mozika misy fanahy. Iray tamin’ireo nisafidy ny hivoy ny mozika arahin-gitara sy ireo zavamaneno mifameno aminy ny Manan’Ara. 10 taona izay no nisian’ny tarika, ka homarihina izany. Ho fanokafana azy, hisy ny seho hotontosain’ny Manan’Ara ny zoma 22 mey izao, eny amin’ny Pho Resto Ivato.
«Ho hiraina ao daholo ny rakikira voalohany sy ilay faharoa izay vaovao be. Io mihitsy ny seho voalohany fanomezan-danja ny famoronana anatin’ny rakikira. Seho hanairanay ny tanora sy ny olombelona Malagasy hoe manana kolontsaina isika, ary any no fototra aloha», hoy ny fanazavan’i Tah Manana, iray amin’ireo andrin’ny tarika Manan’Ara.
Mitantara ny fiainana andavandron’ny mponina, ny fanentanana momba ny fiarovana tontolo iainana, ny fitiavan-tanindrazana, sns, ireo sanganasan’ny Manan’Ara. «Nisy hira iray natolotr’i Kolibera ho anay. Efa nisy nomen’i Zakaria ihany koa fahavelony, Ary tena anisan’ny manamarika ny rakikira io. Ho vahinin’ny seho rahateo i Nini Kolibera sy i Benny ao amin’ny Lôlô sy ny tariny, satria hisy tetikasa iarahanay aoriana, ka ho santatra ity seho ity», hoy hatrany ny fanazavan’i Tah Manana. Efa heno tamin’ny famerenana tokoa ny «Lamasinina» an’ny Lôlô sy ny tariny niarahan’izy ireo sy ireo hira nataon’ny Feo Gasy. Tsiahivina fa nanokatra ny seho nataon’i Erick Manana farany teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ny Manan’Ara.
Zo ny Aina




