Other News

Orinasa Patapon : Nanamafy ny fifandraisany amin’ny mpanjifa

Ho fanamafisana indray ny fifandraisan’ny orinasa Pata­pon sy ny mpanjifany, notanterahina omaly, teny Andra­haro, ny famaranana ny “Tom­bola Patapon millionnaire”. Hetsika lehibe, nahasarika olona maro. Nahatratra 1 tapitrisa teo ny mpandray anjara tamin’izany, avy amin’ny faritra efatra. Anisan’izany Anta­na­narivo, Antsirabe, Maha­janga, ary Toamasina. Maro ny loka efa nomanina. Miisa 14 […]

VAOVAO TAMBATRA

Nitombo ho adiny 4 ny delestazy eto Anta­nanarivo, nanomboka ny alakamisy teo, raha adiny 3 tany aloha. Manomboka amin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 9 ora maraina ny faharetany. Misy koa ny tolakandro amin’ny 12 ora hatramin’ny 4 ora hariva. Vao manomboka ny haintany, ary ho azo antoka fa vao mainka […]

Farmasia : Fiaraha-miasa Yas sy Meditect

Natao sonia omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Yas sy ny orinasa Meditect. Miompana amin’ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny fikarakarana sy ny fikirakirana ny antontan-taratasy amin’ny lafiny fivarotana fanafody ny fiaraha-miasa izany. Vahaolana mahomby amin’ity sehatra ity, izay voalohany aty Afrika, ny fampiasana azy. Hanamora ny asan’ny farmasiana amin’ny fikarakarana […]

Ladoany : Fitantanana vaovao eny amin’ny seranan-tsambo

Nametraka paikady vaovao ny Haban-tseranana malagasy handrindrana ny fitantanana eny amin’ny seranan-tsambo. Nohamafisina ny fanaraha-maso manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tsy mirindra ny asa eny amin’ny seranan-tsambo hatramin’izay, satria be loatra ny sampandraharaha, miadana ny fomba fiasa. Manana fomba fiasa vaovao ny ladoany entina hanamorana izany, sady manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. […]