Efa samy manoman-tena hiatrika ny lalao karakarain’ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf) avokoa ny ekipa roa solontenan’i Madagasikara, ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Manana vina ny ho tafita lavitra amin’ity fifanintsanana afrikanina ity ny roa tonta, saingy hatramin’izao, tsy mbola fantatra mazava ny toerana handraisan’izy ireo ny lalao […]
Other News
Fifanintsanan’ny “Mondial 2026” : Mitana ny laharana faharoa i Madagasikara
Taorian’iny andro fahafito, ady tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, iny, mipetraka eo amin’ny laharana faharoa, anatin’ny vondrona « I », i Madagasikara. Manana isa 13 isika ary mbola eo aloha i Ghana, izay mihazona ny isa 16. Nahatsara ny toeran’ny Malagasy ny fandresena 2 no ho 0, azony nanoloana ny […]
Judo-Afrika Vétérans : Medaly 8 azon’ny Malagasy
Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja judo, sokajy Vétérans. Fifanintsanana afrikanina notanterahina tany Maorisy, ny alakamisy lasa teo izy ity. Malagasy mpikatroka dimy no nahazo medaly volamena ary voahosotra ho tompondakan’i Afrika. Anisan’izany Andriambelo Noelson, teo amin’ny sokajy Men M3 -66kg, Ralijaona Floriano, (Men M4 […]
Rugby – “Top 8 Mada” : Hangotraka ny famaranana eo amin’ny Cosfa sy ny FTM
Hitana ny sain’ny besinimaro amin’ity faran’ny herinandro ity ny famaranana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby “Top 8 Mada”. Hiady izany ny FTM Manjakaray sy ny Cosfa (Bebaoty). Ekipa tsy resy mihitsy hatreto amin’ity dingana ity. Tsontsori-mamba isarahana izany ny an’ny roa tonta. Hotanterahina etsy amin’ ny Kianja Makis Andohatapenaka, […]
TARATRY ny KANTO
« Ahoana ny hoavin’ny literatiora malagasy? » Izany no lohahevitra hiaraha-mizara mandritra ny kafe literera “Bar à livres” izay hatao eny amin’ny Le Park Bemasoandro-Itaosy, anio amin’ny 3 ora tolakandro. Adihevitra iarahana amin’ireo poeta, mpanoratra, mpanao slam ary mpandala ny literatiora amin’izao fotoana izany. Orad Ravalison, Indiamahery, Libertador, Tagman Namtag ary i […]






