Roa lahy naiditra am-ponja eny Antanimora, ny sabotsy 9 aoagositra teo, taorian’ny nahatraran’ny polisy azy tetsy Antohomadinika IVO. Nangalatra jiro tao an-tokotanin’olon-tsotra izy roa lahy ireo, ny alakamisy 7 aogositra teo, ka noraisim-potsiny. Taxi-be 133 tapaka hisatra tampoka ka nifatratra tamin’ny tranon’olona teny Itaosy, omaly. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara. […]
Other News
Notafihin’ny jiolahy : Namoy ny ainy ilay voavely “barre à mine”
Novelesin’ny olon-dratsy tamin’ny alalan’ny vy lehibe “barre à mine” teo am-panokafana varavaran’ny trano, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Vohidrazana, kaominina Ambatosoratra, distrika Ambatondrazaka, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 9 aogositra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ka naka vehivavy […]
67Ha Avaratra: Lehilahy mpangarom-paosy voasambotra
Lasibatry ny harom-paosy matetika ireo olona miandry fiara sy ireo mpandeha fiara fitateram-bahoaka. Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena teo am-pangaronana paosin’olona tetsy 67Ha Avaratra, afakomaly hariva. Miara-mijoro amin’ireo mpiandry fiara fitateram-bahoaka etsy amin’ny Parking 67Ha Avaratra io olon-dratsy io. Mandritra ny fihazakazahana manenjika fiara no hanararaotany hangaronana ny paosin’olona. […]
Voatifitry ny polisy : Jiolahy niarina tao amin’ny tranom-paty
Jiolahy miisa efatra voatifitry ny polisy tao Toamasina ka voalaza fa namoy ny ainy avokoa, afakomaly alina. Tovolahy 17 taona iray tamin’ireo jiolahy, niarina tampoka tao amin’ny tranom-paty. Hagagana ny an’ny rehetra teo anoloan’ny tranom-patin’ny Hopitaly Be Toamasina, omaly. Jiolahy miisa telo hita faty tao amin’ny tranom-paty ny maraina raha […]
Diosezy Fenoarivo Antsinanana : Tontosa ny famehatrahana ny Mgr Marek Ochlak, Eveka vaovao
Tontosa, omaly, tao amin’ny kianja manara-penitra fanaovana baolina kitra Sahavola, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Eveka vaovao hitantana ny diosezin’i Fenoarivo Atsinanana. Ny Mgr Marek Ochlak no voafidin’ny Papa Fransoa hitantana io diosezy io. Nomarihana tamin’ny alalan’ny Sorona Masina izay notarihin’ny Nonce Apostolique miaraka amin’ny Kardinaly Arsevekan’i Toamasina izany. […]






