Tafapetraka ny paikady hanarenana ny seha-pihariana voanjo sy hiantohana ny tombontsoan’ny tantsaha. Rafitra natao hanampiana ireo mpisehatra sy hanohanana ny toekaren’ny faritra. Miroborobo. Velom-panantenana ireo mpisehatra eo amin’ny lalam-pihariana voanjo ao amin’ny Faritra Menabe. Tapaka taorian’ny fikaonandoha ataon’ny fanjakana sy ireo mpisehatra samihafa fa 2 000 Ar ny kilao handraisana […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Nanomboka teny Ivandry, omaly, ny fanaovana tombana an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly. Roa no atrehina amin’izany: ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana. Ao anatin’ny Fanavaozana, ezaky ny fitondrana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ary ny fanadiovana ny raharaham-barotra eto […]
“Tsy misy gadra politika eto Madagasikara”, hoy ny Praiminisitra sy ny Filoha
“Tsy misy gadra politika eto Madagasikara”. Io ny valintenin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, teny Ivandry, omaly, manoloana ny toromariky ny Sadc tamin’ny fihaonana manokana nampitain-davitra, tany Botswana, afakomaly, momba an’i Madagasikara. Fandikan-dalàna avokoa no nisian’ny fanasaziana. Anisan’ny fehinkevitry ny SADC ny hamerenana ny antso hamotsorana ireo gadra politika sy ny hampitsaharana […]
Tsy mahaleo tena marina
Raha vao afakomaly no nanindraindra ny filohan’ny Fanavaozana fa tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara dia ny androtr’izay ihany dia iny fa nipoitra avy tao ny SADC sy ny fanambarana miezinezina. Nisafoaka avokoa izay mpanohana ny fitondrana. Namaly bontana izay afaka namaly. Hatramin’ny kolonely aza, namaky bantsilana ny fanoherana […]
Mila mihavana hoy ny SADC : “Mivoaka ny gadra, mody ny sesitany”
Mazava ny zotra ho an’ny SADC, mila miverina amin’ny Lalàmpanorenana i Madagasikara. Mila mihavana ihany koa. Mahitsy ny valin-kafatra avy amin’ny mpitondra: manaja ny toromarika, saingy tsy misy gadra na sesitany politika izany. “Miantso amin’ny fampihavanana, famerenana ireo nanao sesitany ara-politika, ary famoahana ny gadra politika”, izay no vontoatin’ny fanambarana […]






