Other News

SOMBIM-BAOVAO

Hisolo tena an’i Madagasikara any Algérie, mandritra ny lalao afrikanina an-tsekoly, taranja Judo, Razakarison Tovohery, sokajy latsaky ny 55 kg. Ity no lalao afrikanina an-tsekoly voalohany ary tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara. Hotontosaina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja kick-boxing. Hatao ny maraina […]

Tenisy – Amboara Davis: Fandresena fanintelony ho an’i Madagasikara

Mbola nahazo fandresena indray ny Akomba de Mada­gascar, teo amin’ny andro fahatelo hiadiana ny Amboara Davis, taranja tenisy. Resin’ny malagasy, tamin’ny isa 2 no ho 1 i Cameroun omaly ho an’ny vondrona “B”. Lalao notanterahina tao amin’ny kianja National Tennis Centre, tao Gaborone Botswana. Sahirana ny Akomba de Madagascar vao […]

Karate-Tompondakan’i Afrika : Medaly alimo 2, azon’i Natanaela sy i Sarobidy

Tsara fanombohana, amin’ny ankapobeny, i Madagasikara, nandritra ny andro voalohan’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja karate, tontosaina any Nizeria. Medaly alimo 2 no azon’ny Malagasy nifaninana omaly. Medaly voalohany norombahin’ny Malagasy ny an-dRakotondrazaka Natanaela, teo amin’ny Kata, sokajy Cadet, lehilahy. Nandrombaka ny medaly alimo ity karatékas malagasy ity rehefa nisongadina […]

« Chan 2024 » : Tsy mety tafavoaka ny lisitra, ifandroritana ny anarana

Tsy mbola tafavoaka hatramin’izao ny lisitra handrafitra ny Barea Chan. Misy mpilalao tsy niatrika ny dingam-pifantenana izay nataon’ny mpanazatra, miteraka olana. Tsy hita popoka hatramin’i zao ny lisitry ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy, taranja baolina kitra, sokajy A’ na ny Barea Chan. Tsy fantatra mazava ny antony mampitarazoka izany […]

TARATRY ny KANTO

« Revirevy mody masoandro », eny amin’ny CCI Ivato. Rahampitso alahady ilay andiany faharoa amin’ity hetsika ity. Fampisehoana hamerenana ny revy mihodidina afon-dasy, iarahana amin’ny tarika Mahaleo sy ireo taranaka, Revy Lôlô sy ny tariny hoentin’i Benny, Bebey ary i Nini Kolibera ary ny vao mite­nin’i Samoela. Samy hanana ora […]