Other News

Kitra – Ligin’Analamanga : Tafakatra amin’ny D2 Nasionaly ny COSPN

Niova tanana indray ny tompondakan’ny ligin’Analamanga tamin’ity taona ity. Lasan’ny COSPN, ny vola 1 tapitrisa ariary sy ny amboara tamin’izany. Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Ana­la­man­ga, taranja baolina kitra, ny ekipan’ny COSPN, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja CFFA Iavoloha. La­von’izy ireo, tamin’ny isa, 1 no ho 0, nandritra ny lalao […]

VAOVAO TAMBATRA

Ahazoana tahiry 324 000 L isan-taona, na 1,5 miliara Ar isan-taona ny fisian’ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, manana tanjaka 1 MW any Ambodifotatra Sainte Marie. Miantoka ny 70% ny filana herinaratra any an-toerana ity toby vaovao ity, ka ho foana tanteraka ny delestazy. Manodidina ny 1 000 Ar ny vidin’ny […]

Rafitra ara-tsakafo: Mifandray ny famokarana sy ny harena voajanahary

Natao teto Antananarivo, ny 8 sy ny 9 jolay teo, ny dinika nasionaly mahakasika ny fampifandrifiana ny rafitra ara-tsakafo, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny famokarana maharitra. Natao izany entina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, satria efa miantraika amin’ny seha-pamokarana isan-tsokajiny. Anisan’ny ni­voitra nandritra ny atrikasa, fa zava-dehibe ny fandraisana […]

Fiovan’ny toetr’andro: Tanjona ny famatsiam-bola 1,3 miliara dolara

Nandray anjara tamin’ny fivoriana faha-62 nataon’ireo rafitra ao anatin’ny Fifanarahana mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro tany Bonn Alemaina, i Madagasikara. Nodinihina ny paikady entina hanalefahana sy hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, ny famatsiam-bola ilaina, ny fatiantoka sy ny fahavoazana, ny rafitra ara-barotra, ny fahaiza-mitantana, ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ary ny […]

Nosy Sainte Marie : Vita tsara ny lalana lava indrindra amin’ny tanàna iray

Vita tsara daholo ny lalana rehetra any amin’ny Nosy Sainte Marie na Nosy Boraha, izay notokanan’ny filoha Rajoelina Andry, ny 11 jolay teo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Pic2 sy ny Pic3 izany. Namatsy vola ny asa ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbo­lan’ny Opep ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Ofid). Mampiavaka […]