Other News

Coupe Internationale de Tana: Nahatratra 374 ireo mpifaninana

Fahombiazana ! Naha­tra­tra 374 ireo mpifanintsana tonga namaly ny antso nandritra ny fifaninanana karate, “Coupe Internationale de Tana”, andiany voalohany, izay notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Lapan’ny Fana­tanjahantena Mahamasina. Nahitana atleta vahiny 40, avy amin’i France, Mayotte, sy La Reunion, ity fiadiana ny am­boara izay karakarain’ny seksiona Antananarivo […]

Atletisma – Tompondakan’i Afrika «Junior»: Hisolo tena an’i Madagasikara i Steeve sy i Anna

Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny sokajy zandriny i Madagasikara. Atleta mianadahy no hiaro ny anaram-boninahitra amin’izany dia i Steeve sy i Anna. Ankoatra izay, hamonjy ny fivoriamben’ny kaonfederasionina afrikanina ihany koa ny sekretera jeneraly. Nanainga omaly ny delegasionina malagasin’ ny taranja atletisma. Hiatrika ny […]

“World Cola PFL” : Tompondakan’i Madagasikara ny Elgeco Plus

Ela ny ela, nahazo ny anaram-boninahitr’i Madagasi­kara ihany ny ekipan’ny Elgeco Plus. Resin’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Cosfa miaramila. Mbola baraingo ny kianja handraisan’ny Elgeco lalao amin’ ny fifanintsanana Afrikanina. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra! Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, « World Cola PFL », ny Elgeco Plus […]