Other News

Tontolon’ny dihy : Hifarana anio ny « Evasion Danse » III

Iray amin’ireo hetsika lehibe momba ny dihy tanterahina eto Madagasikara ny Festival Evasion Danse. Tamin’ity taona 2025 ity ny andiany faha-3 izay nahitana fifanakalozana, fampisehoana, fampiofanana, sns. Hifarana anio eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ny fandaharam-potoana. Hanom­boka amin’ny 2 ora ny fifaninanana ahitana an’ny Arangao « Kiry », Mad’Anim « Fruits des bois », […]

“Revirevy Mody Masoandro” : Hamerina sy hamelona ny vazo an-gitara

“Ambony tamboho” ny filazana azy taloha… Ireny revy ireny ihany no nentina nandritra ny “Revirevy mody masoandro”, ary nahitam-pahombiazana izany, ka hotohizana. Mahaleo, Lôlô sy ny tariny ary Samöela. Na­hoa­na moa no hanova, kanefa efa nahitam-pa­hombiazana ? Ireo ihany no notazomin’ny mpikarakara avy ao amin’ny Louvto Com­pa­ny, hanafana ny « Revirevy mody […]

TSELATRA

Naiditra eny amin’ny fonjamben’Antanimora ny tovolahy 22 taona, tratra nanodinkodina tovovavy tsy ampy taona tetsy Andoharanofotsy. Nanadala tovovavy 15 taona izy ka bevohokany. Nariany anefa rehefa te­raka. Tonga nitory teny anivon’ny borigady Andoharano­fotsy izy mianaka rehefa feno efa-bolana ilay zaza. Lehilahy iray, 17 taona, tratran’ny Polisin’ny CSP4 Isotry nangalatra moto […]

Mpivarotra enta-madinika: Raim-pianakaviana maty voatsatok’antsy in-12

Raim-pianakaviana, mpivarotra enta-madinika iray tany Antalata Ambohimaha­soa, maty voatsatok’antsy in-12 tao an-tranony, ny alarobia lasa teo. Voatsindrona tamin’ izany, ny tendany, ny lohany, ny tarehiny, ny ambavafony ary ny kibony, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Nisy lehilahy roa nilaza hividy sigara sy fahana atao amin’ny finday tao an-tsenan’io mpandraharaha io, […]

Analamahitsy : Vehivavy tera-dahy teny an-dalana

Latsaka nanoloana ny kaomisarian’ny Polisy Analama­hitsy ny zanaky ny renim-pianakaviana iray, omaly. An-dalana handeha hihazo ny toeram-pitsaboana fa ho teraka io vehi­vavy io sy ny fianakaviany. Efa naneho fihetsika hafahafa ilay renim-pianakaviana vantany vao niala tany an-trano. Tsy tanàny intsony ny kibony ka naka sisiny teo amin’ny tambohon’ny polisy io […]