Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Ankadifotsy, omaly, ny K2HB (Kaomity hamerina ny hasin’ny baolina kitra). Nahitsy ny tenin’ireo mpikambana manoloana ny zava-misy iainan’ity taranja ity ankehitriny. “Marary ny baolina kitra malagasy ary mahamenatra ny zava-misy noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ao amin’ny federasionina ka takinay ny fametraham-pialany”, hoy Randrianirina Jean […]
Other News
Muay Thai-“King of the Jungle” : Hiaka-tsehatra anio i Frédérico
Nihazo an’i Maorisy tamin’ity herinandro ity ny delegasionina malagasy, taranja Muay Thai, hiatrika ny fifaninanana “King of the Jungle”. Anio hariva no hiakatra ringa ny solontena malagasy tokana, Rakotondrabarison Fanomezantsoa Frédérico. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 60 kg izy no hiady. Ny federasionina maorisiana ny taranja Muay Thai no mikarakara […]
Filaharan’ny Fifa : Miraikitra eo amin’ny faha-115 i Madagasikara
Sady tsy mandroso no tsy mihemotra! Nijanona eo amin’ny laharana faha-115 ny filaharan’ny Fifa, ny Barea de Madagascar, araka ny vaovao nivoaka, afakomaly. Miamafy ny tsindry ho an’ny mpanazatra Barea. Eo ihany! Namoaka ny filaharan’ireo firenena amin’ny resaka baolina kitra, ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa, afakomaly. Tazana tao anatin’izany fa niraikitra eo […]
« Ako sy feo » – Randja Zanamihoatra: Mitohy ny hetsika faha-100 taona
11 Jolay 1997 – 11 Jolay 2025. Nitsingerina, omaly, ny faha-28 taona nahafatesan’i Randja Zanamihoatra na « Ilay poeta marolafy ». Velona mandrakariva ny soratra napetrany. Hianoka izany ny rehetra manomboka ny 17 jolay ho avy izao, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. « Ako sy feo », fampirantiana tafiditra ao anatin’ny faha-100 taonan’ity andrarezin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Hivoaka anio ny boky vaovao, « Hatsarana hafakely, nos jolies différences ». Nosoratan’i Valisoa izy ity, izay nohaingoan’i Owl Fens sary, ary navoakan’ny Éditions Karné. Maneho ny fahasamihafana anatin’ny fiarahamonina, izay mampiavaka ny tsirairay ka hanomezana fahatokisan-tena ny ankizy, izay natao hamaky azy ny boky. Hisy ny fihaonana amin’ny mpanoratra sy ny […]






