Namoaka fanambarana hentitra ny eo anivon’ny Seces, omaly. Fitakiana sy famerenana manontolo ireo Nosy malagasy bodoin’ny fitondrana frantsay, nandritra ny 130 taona mahery ny lohatenin’ny fanambarana . “Miantso ary mitaky fifanohanana diplaomatika avy amin’ireo firenena sy vondrona mpiara-miombon’antoka amintsika izahay. Anisan’izany ny ONU sy ny rantsa-mangaikany, ny COI, ny Sadc […]
Other News
TARATRY ny KANTO
« Kôzy tolo-tanana », etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Hatao ny alahady 6 Jolay izao ity hetsika fanehoana firaisankinan’ny mpanakanto ity, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ry Silo, Olo Blacky, Jah Roots, Naday, Rebl & H Man, sns. Ny Jamerla Koonaktion no mikarakara ny hetsika. Ady hiragasy goavana, […]
Soatoavina malagasy : Mitady ho very hasina ny anti-panahy
Fandrosoana ? Fanarahana ny toetrandro sy ny rivotra mitsoka maneran-tany?… Saika tsy manalavitra ireo ny valinteny rehefa manontany momba ny fahaverezan-kasin’ireo antim-panahy. Teo amin’ny soatoavina malagasy. Io sokajin-taona io no azo antoka indrindra ao anatin’ny fiarahamonina sady filan-kevitra, mananatra, mitahiry ny tadidy vava sy ny lovan-tsofina, mitarika eo amin’ny tontolo ara-panahy […]
Asasoratra : Tsy manaraka ny zava-misy intsony ?
Talohan’ny taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Niboiboika ireo asasoratra (asa soratra) mitaky an-kolaka na mivantana ny fahafahan’i Madagasikara. Teo anelanelan’ny taona 1960 ka hatramin’ny taona 1972, nifanaretsaka ny asasoratra mampirisika ny Malagasy hitaky ny hiainana ny maha Malagasy azy. Satria, mbola mahatsiaro fa afaka amin’ny ampahany. Mbola nahatsapa fa natao an-jorom-bala tamin’ny […]
Ambatomena Fianarantsoa : Nahazo Coliseum mahazaka mpijery 30 000 isa
Faharoa eto Madagasikara. Toerana fanaovan-danonana lehibe indrindra ao Matsiatra Ambony ny Coliseum ao Ambatomena. «Akory aby ». Hira nentin’ny tarika Jedy teny an-tsehatra no niarahabana ny rehetra tonga tao amin’ny Coliseum vaovao tao Ambatomena Fianarantsoa, omaly. Fotoana nidiran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tao amin’ity toeram-pilanonana goavana indrindra ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony […]







