Other News

FANTINA sy FINTINA

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, ny filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalypsy eto Madagasikara, pasitera Mailhol, araka ny fampitam-baovao omaly. Voaresaka ny fampianaran’ny fiangonana ireo voafonja eny Antanimora, Manjakandriana, ny fonjaben’i Tsiafahy ary Imerintsiatosika. Tokony ho saro-piaro amin’ny fananana iombonana ny vahoaka ifotony, araka ny nambaran’ny […]

Fanatsarana ny lalàm-pifidianana : Mahatratra 331 ny fafana tolo-kevitra voarain’ny Ceni

“Amin’izao fotoana izao, mahatratra 331 ny fafana tolo-kevitra voarain’ny Ceni”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fakan-kevitra hanatsarana ny lalàm-pifidianana. Nampaha­fantatra ireo dingana ahazoan’ny tsirairay mandray anjara amin’ny fanoloran-kevitra ny Ceni. Nandefasany taratasy misy fafana avokoa ireo mpiantsehatra amin’ny raharaham-pifidianana: mpanao politika, fiarahamonina sivily, tontolon’ny […]

Ilaina ilay fahasahiana

  Anatin’ny ady saritaka indray ry valala an-karona amin’izao fotoana izao. Tsy fantatra intsony hoe iza no manao inona? Na inona no ataon’iza? Misambadidaka ambony ambany ny raharaha. Ny hita sy tsapa aloha dia manaotao fahatany ny sasany. Eo ny mahakasika ilay afera manokana, mainka ny zava-doza ny fiheverana ny […]

Ho an’ny tombontsoam-pirenena : Nesorina ny minisitra Ramonjavelo Valery

48 ora taorian’ny nipoahan’ny raharaha fandefasana fiaramanidina tany Iran, nesorina ny minisitra Ramonjavelo Valery, niandraikitra ny fitaterana. Tsy nahaaro azy ny filazana fa voafitaka ny fanjakana malagasy. Efa nampoizina ! Neso­rin’ny filohan’ny Repo­blika, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra tamin’ny toerany ny minisitry ny Fitate­rana sy ny famantarana ny toetry ny andro, […]