Nampita hafatra fiantsoana fitoniana ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin. Niantso ny hampitsaharana ny fifandranitana politika ny tenany amin’izao handraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. Nanentana ny rehetra hahay handala ny soatoavina sy ny fihavanana koa ity filohan’Andrimpanjakana ity. Vahiny manokana hanatrika ny fivorian’ny Sadc ny filohan’ny Banky arabo ho […]
Other News
Fihaonana an-tampon’ny Sadc : Miantso fitoniana ny depiote Tojosoa Ideal
Solombavambahoaka anisan’ny nanamafy ny antso avo nataon’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, ny depiote, Tojosoa Ideal. “Andao hampandeferina ny adihevitra politika fa hifantoka amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc”, hoy ity solombavambahoaka voafidy tany Vangaindrano ity. Nanteriny fa hanome vahana ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty Afrika, izao fanatanterahana […]
Mandresy hatrany
Mandalo sedra mafimafy ny tontolo politika anatiny eto Madagasikara. Iaraha-mahalala ny savorovoron’ny fiaramanidina sy ny kolikoly ao ambadik’izany. Marina tokoa ny voalaza fa tsy nisy nidiran’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ireny. Kanefa tsy tongatonga ho azy na ny vanim-potoana nampipoaka ny raharaha na ny votoatin-tserasera naely. Mainka moa […]
Minisitry ny Raharaham-bahiny: «Hiarovana ny tombontsoam-pirenena ny fihaonan’ny Sadc»
“Hahazoana miaro ny tombontsoam-pirenena ny fihaonana an-tampony toy izao, indrindra eo amin’ny lafiny toekarena izay anisan’ny iompanan’ny vondrona Sadc bebe kokoa”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tamin’ny mpanao gazety teny Ivato, omaly, ny amin’ny tombontsoan’i Madagasikara amin’izao fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. Maneho ny haitarika […]






