Other News

TARATRY ny KANTO

Lanonana tsy manam-paharoa. Hotanterahina ny sabotsy 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny « Salle polyvalente Iugm Ambondrona, ny fitokanana ny Sampana Mahajanga ho an’ny Fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Ampiarahina amin’io lanonana io ihany koa ny fandraisana ireo mpikambana ao anatiny. Antsa tononkalo, fanehoana ny dihim-paritra. […]

Sodokan’ny endrika ivelany: Maro loatra ny varo-draikiraiky amin’ny kanto

Ny anaran’ny sekoly, mampody mandry. Ny vokatra azo, mampisitri-belona. Anke­hitriny, maro loatra ny varo-draikiraiky, fitaka sy tsy fahamatorana mianjady amin’ny fampianarana zavakanto. Vao maheno ny « intelo mianatra dia efa mahita vokatra » ny ray aman-dreny. Dodona sy maika handefa ny zanany hianatra zavamaneno, kabary, sary, sns. Mivadika ny volana, atao eny […]

Asa maha mpanoratra: Hisy atrikasa iarahana amin’i Nirina R.

Mpanoratra teratany malagasy, saingy miasa sy monina any ivelany, i Nirina Ralantoaritsimba. Handalo an-tanindrazana, hizara ny traikefany mahakasika ny tontolon’ny boky izy. Anisan’izany ny atrikasa izay hotarihiny ny sabotsy 19 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Mahakasika ny asa maha mpanoratra no hovelabelariny mandritra […]

« Génération 2000 », andiany fahatelo: Hiverina an-tsehatra koa ry Imagine, Eric Tahiana…

Hanjaka ny fahatsiarovana any ambadiky ny 20 taona lasa. Maromaro ireo mpanakanto nanana hira nanamarika ny taona 2000 no hiverina indray. «Ho feno fihetseham-po satria hihaona indray amin’ireo mpankafy anay taloha sy hatramin’izao », hoy i Fanja. Mandrafitra ny tarika Imagine miaraka amin’i Mamie izy, izay nalaza tany amin’ny fiandohan’ny taona […]