Nitsidika ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Andrianavalona Herizo, ny talata 12 mey teo, ny tomponandraikitry ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Emirates sy ny avy amin’ny sambo mpitsabo Mercy Ships. Naneho ny fahavononany hanohizana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny Emirates. Tanjona ny hisian’ny fiantraikan’ny asa iarahana mivantana […]
Other News
Fahaleovantena niomerika : Fanamby hampivoarana an’i Afrika
Zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa niomerika afrikanina mba hiarovana ny angon-drakitra. Hampidirana ny teny sy ny kolontsaina afrikanina ao anatin’ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) sy hampiroboroboana ny talenta sy ny fiaraha-miasa eto Afrika. Nivoitra izany nandritra ny hetsika “Africa Forward Summit”, natao tany Nairobi. « Africa must move from digital dependence to digital […]
Rano : 144 000 m³ isan’andro ny banga amin’ny famokarana
Tsy ampy ny rano. Mahatratra 144 000 m³ isan’andro ny banga eo amin’ny famokarana rano eto Antananarivo. Antitra avokoa ny ankamaroan’ireo tambajotra mpitsinjara izany ka mahatonga fahaverezan-drano betsaka eto amintsika. Mbola sedra lehibe ho an’i Madagasikara ny tsy fahampian-drano, indrindra eto Antananarivo. Nambaran’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, Dr […]
FANTINA sy FINTINA
Mihemotra amin’ny 3 jona izao ny fikaonandoham-pirenena, araka ny nambaran’ny minisitra, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, ny alarobia teo. Nambarany ho anton’izany ny fandaminana. Eo koa ny fikaonandoha karakarain’ny FFKM, hanomboka mialoha io daty io. «Mitohy kosa ny fikaonandoha efa natao eny amin’ny sehatra samihafa», hoy izy. Miantso ny hanaraha-maso ny […]
Fivondronamben’ny Eveka : “Mila drafitra politika mazava ny fanavaozana”
“Momba ny fihavaozana sy ny fanavaozana tian-katao, tsy ahitana drafitra politika mazava sy voafaritra tsara ny fitantanana ny fanavaozana ankoatra ny fe-potoam-pintantana roa taona sy ny hisian’ny fikaonandom-pirenena”. Io ny hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara (CEM), afakomaly, taorian’ny fivoriambe ara-potoana, ny 8-12 mey lasa teo. Miaina ao anatin’ny fanantenana […]






