Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, tetsy Tsimbazaza, ny solontena vaovao ho an’ny fikambanana iraisam-pirenena Frankofonia (OIF), aty amin’ny ranomasimbe Indianina, Traian-Laurentiu Hristea. Nisongadina tamin’ny fihaonana ny fahavononany ho amin’ny fiaraha-miasa ho fanohanana ireo andrimpanjakana mpanao lalàna. “Tafiditra ao anatin’izany ny amin’ny fanatanterahana ny andraikiny ho an’ny fitantanana mangarahara”, hoy izy. […]
Other News
Analamahitsy: mpanao sinto-mahery voasambotry ny polisy
Nenjehin’ny polisy ny lehilahy mpanao sinto-mahery iray teo Analamahitsy, boriborintany fahadimy, omaly atoandro. Nosintomin’io olon-dratsy io ny poketra an’ny renim-pianakaviana iray teny an-toerana, tamin’ny 12 ora sy sasany. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ny lasibatra. Ren’ny mpitandro filaminana izay nanao fanamiana sivily io hikiaka nataon’ny manodidina io. Nenjehiny avy hatrany ilay […]
Anosizato Atsinanana II: trano fitoeran’entana may kilan’ny afo
May kilan’ny afo ny trano lehibe fitoerana entan’ny mpamongady friperie iray etsy Anosizato Atsinanana II, afakomaly alina tamin’ny 11 ora latsaka fahefany. May kilan’ny afo tao ny entana rehetra sy fiara telo teo an-tokotany. Nahitana fiara fitateran’entana sy fiara taxi-be ary fiara kely an’olon-tsotra naka niantsona tao. Tsy mbola maty […]
Anosiavaratra: mpitondra moto maty tsy tra-drano
Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto scooter iray tra-doza teny Anosiavaratra, ny harivan’ny alahady teo, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nentina namonjy hopitaly ny namany. Namoy ny ainy teo no ho eo ny mpitondra moto scooter marika “Glide” niloko mena, teny amin’ny lalam-pirenena fahatelo, teo Anosiavaratra, distrikan’Avaradrano, afakomaly. Nandeha mafy […]
Kickboxing - Combat Avenir: Chamsi renverse Vazaha
La 4e édition du Combat Avenir de kickboxing, un événement du club Lion Force, a tenu toutes ses promesses, le week-end au gymnase couvert Mahamasina. Le nombreux public qui a fait le déplacement n’a pas été déçu, ayant eu droit à des combats de bonnes factures livrés par les jeunes. […]






