Other News

Fetin’ny Fahaleovantena : Nampiseho ny talentany tamin’ny sarinady ny FDS

Nampiaiky ny mpijery marobe teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny sarinady lehibe nataon’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS). Ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy izany. Tafiditra tanteraka anatin’ ny hetsika fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy malagasy ny hetsika « sarinady […]

Volana jona: Saro-tadiavina ilay maha Malagasy

Mifanosona ny fety aman-danonana. Volana jona, volan’ny ankizy. Volan’ny teny malagasy. Volana ho an’ny fahaleovantenam-pirenena, fetin’ny mozika, sns. Samy manezaka maneho sy manasongadina izay heverina fa sehatra misy azy ny tsirairay, ny fikambanana, ireo sampandraharaha sy rafitra isan’ambaratonga isan-karazany… Saingy, hatramin’izao, mbola saro-tadiavina ilay maha Malagasy ao anatin’ireny hetsika ireny. […]

TARATRY ny KANTO

Manomboka mahazo vahana ny fitiavan’ny Malagasy ny momba azy. Saingy, maro ireo manao dingan-dava. Ny momba azy aza mbola tsy ananany fahalalana firy, kanefa, ny an’ny hafa indray no handaniany rondoha tsikeraina, hahitsy, mety hihomehezany mihitsy aza. Mbola lesoka goavana eo amin’ny fampivelarana sy fiverenana any amin’ny fototra ny tranga […]

Antsam-piderana : Tonga eto i Dena Mwana

Toy ny isan-taona, hisy ny « Antsam-piderana ho an’ny Firenena ». Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny Fahaleovantena izy ity. Natao indrindra hangataham-pitahiana ho an’ny firenena, hizarana ireo hira ara-pilazantsara amin’ny alalan’ny fampisehoana goavambe izany. Hotontosaina ny alahady 22 jona izao ny amin’ity, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hiavaka kokoa izany, satria nanasa […]