Nifindra klioba ao amin’ny Standard de Liège, Belzika, ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Marco Ilaimaharitra. Roa taona eo ny fifanarahan’ny klioba roa tonta. Tsiahivina fa i Marco Ilaimaharitra, tsy niala tao amin’ny fampivondronan’ny Barea, noho ny tsy fandoavana ny tambin-karama. Anisan’ny hifanandrina amin’ny fifaninanana “Combat Avenir 5”, taranja kick-boxing, hatao […]
Other News
Baolina kitra – « Yas Coupe de Madagascar » : Hanokatra izany ny Ajesaia sy ny As Fanalamanga
Hotontosaina, anio sy rahampitso, eny By-Pass, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe de Madagascar », taranja baolina kitra. Anisan’ny fifanandrinana andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Ajesaia Bongolava sy ny As Fanalamanga, avy ao Moramanga. Hatao androany amin’ny 2 ora, eny an-toerana, ity fihaonana ity. Tsara ny mampahatsiahy […]
Basikety-N1B : Fantatra ireo hiatrika ny manasa-dalana
Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy N1B lahy sy vavy. Efa fantatra avokoa ireo tafakatra hiatrika izany, taorian’ny lalao ampahefa-dalana, omaly. Fifaninanana tontosaina any Fianarantsoa. Ho an’ny sokajy vehivavy, anisan’ny tafakatra amin’ny manasa-dalana ny ekipan’ny JCBA Analamanga rehefa nanilika ny ekipan’ny Pintade […]
Rugby – “Africa Men’s Sevens”: «Hanome ny fahaizako rehetra aho», hoy i Hugo Manolo
Hifantoka atsy Maurice ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra indrindra ny mpankafy rugby. Hanomboka anio ny fiadiana ny “Africa Men’s Sevens” sady hiadiana ny tapakila ho an’ny “Mondial 2026”, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7. Hanomboka anio, ao amin’ny Kianja Lambourdonnais Club ao Maurice, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nolanian’ireo loholona tetsy Anosikely, afakomaly, mifidy ireo senatera ireo olom-boafidy am- perinasa. Izany hoe, ireo ben’ny Tanàna sy ireo mpanolotsain’ny Tanàna izany. Tsiahivina fa nanolotra izany tolo-dalàna momba ny fombafomba fifidianana ary ny fanendrena ireo loholona izany ny senatera Tsiebo Mahaleo. Namaly bontana ny filoha Rajoelina Andry ny mpanohitra amin’ny […]






