Tonga ara-potoana hatrany ny sambo mitatitra solika avy any ivelany mankaty Madagasikara. Tsy misy atahorana ny famatsiana aty afovoan-tany sy ny any amorontsiraka. Nitondra fanazavana ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean Baptiste Olivier, ny alarobia 25 jona teo, manodidina ny famatsiana solika eto amintsika. « Ampy tsara ny […]
Other News
Hivalona ny volana jona: tsy mahita mangirana ny teny malagasy
Sehatra vitsy kanefa mafonja. Eo amin’ny tontolon’ny fifandraisana sy ny teknôlôjia. Mbola fanjakan’ny teny malagasy diso fanoratra, diso tsipelina… Eo amin’ny fiainana andavanandro. Mbola ny teny vahiny no mampieboebo ny tanora, indrindra fa ny eny an-drenivohitra sy an-tanàn-dehibe… Mbola tena lavitra ny ezaka sy ny asa miandry vao ho tafapaka […]
Rado Ramaherison: “Tsy misy mpanoratra na pôeta dimbiasana na mandimby izany”
Raikitra ny fampitahana! Ny asa soratry ny teo aloha na ny efa nialoha lalana no hampitahaina amin’ny an’ny mpanoratra na pôeta aty aoriana… Ao ireo ambara ho mitovitovy “endrika”. Tsy vitsy no lazaina ho naka tahaka. Misy koa, anefa, ireo ambara fa dimbin-dRanona. Mitsipaka io farany io ny fanazavan-dRado Ramaherison, […]
Fifanintsanana Mondial 2026: mety ho any ivelany indray ny lalaon’ny Barea
Lasa mangina ny resaka fikarakarana ny Kianja Barea Mahamasina. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy ny tohiny momba ilay fitaovana hikolokoloana izany. Manahy ny zava-misy ny mpankafy baolina kitra malagasy maro fa mety hatao any ivelany indray ny fihaonan’ny Barea de Madagascar, ny volana septambra ho avy io. Roa volana eo […]
Rallye – Bangsean Grand Prix: handray anjara Razanakoto Iaro
Hotanterahina ny 5 sy ny 6 jolay ho avy izao, any Thaillande, ny Bangsean Grand Prix, dingana fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Asie, amin’ny familiana fiarakodia (Grand Tourisme 4). Anisan’ireo handray anjara ilay Malagasy mpanamory, Razanakoto Iaro ao amin’ny klioba Team Porsche B-Quick. Raha tsiahivina, mitana ny laharana faharoa vonjimaika, […]






