Tonga ara-potoana hatrany ny sambo mitatitra solika avy any ivelany mankaty Madagasikara. Tsy misy atahorana ny famatsiana aty afovoan-tany sy ny any amorontsiraka.
Nitondra fanazavana ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean Baptiste Olivier, ny alarobia 25 jona teo, manodidina ny famatsiana solika eto amintsika. « Ampy tsara ny tahirin-tsolika. Mitotaly 104 tapitrisa litatra ny gazoala, raha 23 tapitrisa litatra ny lasantsy SP 95. Hanamarinana fa ampy tsara sady mitohy tsy ankiato ny famatsiana, vao ny 12 jona teo ny sambo nitondra solika tonga eto amintsika », hoy ny minisitra.
Tsy maintsy natao izao fanazavana izao, hanomezana antoka ny mpanjifa fa tsy misy atahorana ny famatsiana. Nomarihiny fa tranga mpiseho ny tsy fisian’ny solika eny amin’ny toby mpaninjara vitsy eto an-dRenivohitra farany teo. Antony, mikoropaka ny olona sasany, satria mitombo ny fanjifana, rehefa vaninandro fety toy izao. Hiditra amin’ny fotoan’ny fialantsasatra lehibe isika, vao mainka hiakatra ny fanjifana satria mitombo ny fivezivezena. Nitombo 25% tamin’ity taona ity, raha oharina ny taona 2024 ny fandaniana solika. Manoloana ireo, tsy maintsy hampiana ihany koa ny fitaterana solika anatiny, ny miakatra aty afovoan-tany (Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa, …).
Mamatsy mivantana ny mpaninjara
Maherin’ny 300 ny fiarabe mpitatitra solika mankeny amin’ny toby fitahirizana an’ny Logistique pétrolier (LP) eny Alarobia sy Soanierana, fa eo koa ireo toby mpaninjara an’ny kaompania isanisany. Noho izany, nomena alalana hitsinjara mivantana eny amin’ny toby mpaninjara ny kaompania fa tsy voatery mandalo tahirin-tsolika LP. Hamafisina koa ny fitaterana an-dalamby.
Ankoatra izany, nohamafisin’ny minisitra Jean Baptiste Olivier fa tsy misy fiantraikany aty amintsika, hatreto, ny ady any amin’ny tany arabo. Tsy misy fiovana fa mitohy ny fanitsiana ny vidin-tsolika isam-bolana.
Njaka Andriantefiarinesy




