Other News

FMF sy ny fanjakana: Nanafatra fitaovana hikolokoloana ny bozaka

Miara-mientana! Taorian’ ire­ny fitsidihana nataon’ny Caf ny Kianja Barea, ny volana febroary teo, ireny, nilaza ny minisitry ny Fanatanja­han­tena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah, afakomaly, tetsy Mahama­si­na, fa olana iray tsy nahazoana ny fankatoavana ny bozaka. Efa nankatoavin’ny kaonfederasionina afrikanina kosa ny singa valo tamin’ireo sivy no­takiny hatramin’izay. […]

Judo-Maneran-tany: Raraka teo amin’ny ampahavalon-dalana i Laura

Nifarana omaly ny fandraisana anjaran’ny judokas ma­lagasy, Rasoanaivo Razafy Laura, tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy Seniors. Fifaninanana notontosaina tany Budapest, nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Na dia raraka teo amin’ny ampahavalon-dalana aza i Laura, nampiaiky ny maro ny zava-bitany, nandritra ity fifaninanana goavana maneran-tany ity. Vao nanomboka ny […]

« Yas Coupe de Madagascar » : Natao antsapaka ny lalao ampahefa-dalana

Nanaitra ny maro ny naheno fa natao antsapaka indray ny lalao ampahefa-dalan’ny Yas Coupe de Madagascar. Efa fantatra mialoha ny ampahavalon-dalana teo anefa ny mpifanandrina ho an’ny tsirairay tafakatra amin’ny dingana manaraka. Fomban’ny tompom-baolina sa fandaminana? Natao antsapaka indray, omaly, teny Isoraka, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina […]

Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : Nahazo fiara miisa dimy avy amin’i Japon

Nanolotra fiara miisa dimy ho an’ny minisiteran’ny Ra­haraham-bahiny ny fitondram-panjakana japoney, amin’ny alalan’ny masoivohony eto amintsika, i Abe Koji. No­raisin’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, Rasata Rafara­vavitafika, tetsy Anosy, omaly, izany ary tafiditra amin’ny Tahiry “Fonds de contre-valeur japonais”. Hampiasaina amin’ny fihaonana an-tampon’ ny Sadc hatao eto Mada­gasikara, ny volana aogositra izao, […]

Fivarotana Toaka gasy: Nolanian’ny loholona ny tolo-dalàna

Lany 100% teo anivon’ny Antenimierandoholona ny la­làna mifehy ny fahalalahan’ny fanamboarana sy fivarotana toaka gasy. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely ny fandaniana izany. Na izany aza, mbola nitondran’ireo loholona fanovana miisa fito izany tolo-dalàna izany. Haverina eny amin’ny Antenimierampire­nena hodinihin’ireo depiote indray ary hanapahan’izy ireo farany ny momba ity […]