Other News

Fimpima FJKM Ambohitantely : Nosaloran-damba ireo mpikabary 20 mianadahy

Feno 15 taona ny rantsana Fimpima FJKM Ambohitan­tely. Nomarihina omaly izany tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra, nandritra ny alahadin’ny SLK ny maraina, tao an-toerana. No­tontosaina nandritra izany ihany koa ny fampisalorana lamba ireo mpikambana tsotra, mpikabary miisa 20 mianadahy. Nanatontosa ny fampisaloran-damba ny filoham-paritany Fimpima, Andrianady Bandro. Nisolo […]

Farakely sy Rija R. : Nampiaina indray ireo hiran’i Bessa sy Lôla

Aman-jatony maro raha ny sanganasan’i Bessa. Am-polony maro koa no natokany ho fampiaraham-peon’izy mivady, Bessa sy Lôla. Notsongaina tamin’ireo ny hira nalahatr’i Rija Rama­nan­toanina sy i Farakely, nandritra ny fampisehoana notontosainy omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Hira tsy afaka ambavan’ny maro ary mbola voaporofo izany nandritra ny ora telo mahery […]

Sport Rugby- “XXL Top 12” : Ratsy toerana ny Savony, STM

Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka, ny andro fahavalon’ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Somary ratsy toerana ao amin’ity fifanintsanana ity ny STM. Resin’ny klioban’ny Cheminot na Besetroka, tamin’ny isa 38 no ho 27, ry zareo, omaly. Raha hiverenana ny fihaonana, nanindry tanteraka ny […]

Andron’ny tontolo iainana: Homena sehatra ny basikety 3×3

Mifanolo-tanana amin’ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana siantifika, ny Federa­sionina malagasin’ny basikety, amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana. Hisy ny fifaninanana basikety 3×3 na “Environment Contest 3×3”, natokana ho an’ny Oniversite, hatao ny 5 sy 6 jona izao, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Ana­lakely. Raha ny fandaharam-potoana, […]