Namiratra ny Malagasy mpilomano nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja lomano, natao tany Oran Algérie, ny herinanandro lasa teo. Medaly 5 be izao no norombahin’ny Malagasy. Nanoratra tantara ho an’i Madagasikara ny delegasionina malagasy tany Oran Algérie. Tsy vitan’ny nitondra medaly maro nody fa vokatra tsy mbola nisy tao […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Hisy fifanarahana vaovao hamerana ny vidin-tsolika hataon’ny fanjakana sy ny FMI (Tahirimbola iraisam-pirenena). Fifanarahana talohan’ny nipoahan’ny adin’Iran sy Israely ary i Etazonia manko ny teo aloha, tsy mihoatra na ho latsaky ny 200 Ar isaky ny litatra ny fiovan’ny vidin-tsolika. Vidiny tamin’ny volana febroary no mihatra, ankehitriny, fotoana tsy mbola […]
Fanodinana fako :Plastika 4 taonina navadika ho dabilio
Sekolim-panjakana fototra nisitraka fampitaovana vita tanteraka amin’ny fako plastika voahodina ny EPP Fitroafana, Talatamaty. Tetikasa iarahan’n’ny vondrona Alsico SA sy ny Andao Company nanatanteraka. Efa niara-niasa nandritra ny telo taona ny roa tonta. Fiaraha-miasa mifantoka amin’ny fanodinana fako plastika sy ny fanajana ny tontolo iainana. Ankehitriny, fako plastika azo avy […]
Menabe: Tafapetraka ny Faritra arovana vaovao Makay
Natolotry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrososana maharitra (MEDD) tamin’ny fomba ofisialy ny Madagascar National Park (MNP), tany Malaimbandy, Menabe, ny 8 mey teo, ny fitantanana ny Faritra Arovana Makay. Tsiahivina fa ny volana febroary 2026 teo no nivoaka ny didim-pitondrana mamaritra an’i Makay ho anisan’ireo faritra arovana vaovao […]
Fanadihadiana « nPerf »: Voalohany eto Madagasikara ny tambajotra Yas
Voamarina indray fa voalohany amin’ny famatsiana tambajotra internet eto amintsika ny orinasa Yas, miohatra amin’ireo mpifaninana aminy. Tsy araka ny nieritreretana azy ny Starlink, hatreto. Nivoaka ny fanadihadiana nataon’ny nPerf, matihanina amin’ny lafiny tambajotra (mobile sy fixe) amin’ny fifandraisan-davitra. Mitotaly 71 999 ny isa azon’ny orinasa Yas, raha 51 931 ny an’ny […]






