Malagasy mpamatsy vola ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony miaro ny tontolo iainana ny Fondation Tany Meva. 30 taona niaraha-niasa mivantana amin’ny mponina, ho fiarovana ny tontolo mananaina eto Madagasikara. Niorina ny taona 1996 ny Fondation Tany Meva. Fikambanana malagasy mamatsy vola ny tetikasa volavolaina sy aroson’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony. Nosantarina, omaly, […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Miantso ny tanora ho saro-piaro amin’ny tolona natao ireo avy amin’ny Tambaben’ny mpitolona. Nohitsin’izy ireo fa natao ambanin-javatra ny fanabeazana raha ny hita any Antanimora Atsimo, tamin’ny fisian’ireo mpiadina CEPE nipetraka tamin’ny tany. « Mbola nahena indray anefa ny tetibola amin’izany sy ny fambolena », hoy izy ireo. Notoloran’ny fanjakana “Commandeur de […]
Fanavaozana ny lisi-pifidianana : Hitety tsena sy tokantrano ny Ceni…
Nambaran’ny mpampakateny, Rajafetra Setraniaina Solomanjaka, fa efa vita ny fanavaozana ny birao maharitry ny Ceni. Havaozina, araka izany, koa ny fomba fiasa miaraka amin’ny toe-tsaina mandala ny mangaraharaha sy fifanakalozana, araka ny nambarany. «Hampandray anjara ny mpisehatra politika sy ny fikambanana politika ary ny fiarahamonim-pirenena isika amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana», […]
Fiainam-bahoaka
Famatsian-jiro sy rano, fidangan’ny vidim-piainana, fandriampahalemana…. Ireo no anisan’ny notakiana teny an-dalambe nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Mby aiza? Eo koa ny famoronana asa, ny amin’ny fitsinjaram-pahefana, ny fanamboaran-dalana… Amin’ izany rehetra izany, manginy fotsiny ny fitakiana saika isan-tsehatra tetsy sy teroa: fampianarana, fahasalamana, fambolena… Marolafy, maika avokoa, zava-dehibe… Ekena, […]
Mpanolotsaina avon’ny HCC : Nametra-pialana ny solontenan’ny Antenimierampirenena
Nametra-pialana eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), omaly, ny mpanolotsaina avo roa solontenan’ny Antenimierampirenena: i Nandrasana Georges Merlin sy i Noelson William. Araka ny loharanom-baovao voaray, nanamafy izany ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, tamin’ ny fitsidihany ny filohan’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza. Fantatra fa tamin’ny 15 jona lasa teo no […]






