Famatsian-jiro sy rano, fidangan’ny vidim-piainana, fandriampahalemana…. Ireo no anisan’ny notakiana teny an-dalambe nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Mby aiza? Eo koa ny famoronana asa, ny amin’ny fitsinjaram-pahefana, ny fanamboaran-dalana… Amin’ izany rehetra izany, manginy fotsiny ny fitakiana saika isan-tsehatra tetsy sy teroa: fampianarana, fahasalamana, fambolena…
Marolafy, maika avokoa, zava-dehibe… Ekena, efa nisy ny nanao fikaonandoha hiatrehana ny fikaonandoham-pirenena. Hanao ahoana? Mila mifankahazo ny resaka. Tsy ny lafiny politika ihany no hikaonan-doha toy ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana ary ny lalàna momba ny antoko politika, ohatra. Eo indrindra koa izay mahasahana ny fiainam-bahoaka andavanandro: fahasalamana, fampianarana, famoroanana asa… Hatramin’ny fandriampahalemana, vidim-piainana, tontolo iainana… Fanorenana ifotony? Na fanavaozana…
Amin’ny fomba ahoana? Izay no mampanahy ny sasany. Miainga any ifotony, eny anivon’ny fokontany, ny raharaha andraisan’ny rehetra anjara, tsy misy hevitra ailika… Mila fanomanana sy fandaminana. Mba tsy hianjerana amin’ny fombafomba sy torapo… Aiza ho aiza? Mila fanazavana mitohy sy maharitra hisian’ny fifampitokisana izany. Hibahan-toerana sy ho lehibe indrindra ny lafiny politika? Fanavaozana ny Repoblika… Eo ny lalàmpanorenana, lalàm-pifidianana, lalàna momba ny antoko politika… Tsy azo atao ambanin-javatra na ambin-javatra koa ny fiainam-bahoaka, nahatongavana amin’izao hoe Fanavaozana izao.
Tena mila fanavaozana izay fiainam-bahoaka izay. Mba tsy hisian’ny krizy miverimberina… Zava-tsy inona amin’ny sosialim-bahoaka toy izay nisy sy niainana farany teo. Iza, hono, no hiady ho amin’izay fainam-bahoaka izay?
R. Nd.




