Nametra-pialana eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), omaly, ny mpanolotsaina avo roa solontenan’ny Antenimierampirenena: i Nandrasana Georges Merlin sy i Noelson William.
Araka ny loharanom-baovao voaray, nanamafy izany ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, tamin’
ny fitsidihany ny filohan’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza. Fantatra fa tamin’ny 15 jona lasa teo no voaray ny fametraham-pialan’izy ireo. Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, fa tokony hisy ny fifidianana vaovao mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena mba tsy hisian’ny fahabangan-toerana.
Misy ifandraisany amin’ny raharaha fanenjehana mpanolotsaina avon’ny HCC, saika hosoniavin’ny minisitry ny Fitsarana ny raharaha? Misy mahita sy milaza fa anisan’ireo mpanolotsaina avo efatra hoe nandray ny fitarainan’ny depioten’Arivonimamo, Rajerison Antoine, momba ny filohan’ny Fanavaozana izy ireo ka manakorontana. Fitarainana tsy azo raisina sy tsy mitombina.
Tsy vitan’izany, taorian’ny fijoroan’ny fitondrana Fanavaozana, desambara 2025, nisy ireo mpanolotsaina avon’ ny HCC telo hoe nametra-pialana, ka nosoloina; eny, na tsy nametra-pialana aza izy ireo. Nilamina ihany ny raharaha taorian’ny fifanazavana lava sy fandresen-dahatra teny Iavoloha. Hiroso miandalana amin’ny fanovana miandalana sy manontolo ny mpikambana ao aminy ve ny HCC? Toy izay efa nolalovan’ny Ceni… Tsy naharesy tosika ny fitakiana efa ho lava ny amin’ny tokony handravana io rafi-panjakana io, ka nahatonga ny fialan’ny birao maharitry ny Ceni teo aloha? Amin’izany, hanao ahoana koa ny hoavin’ny HCC sy ny mpikambana ao aminy amin’ity hoe fanavaozana?
R. Nd.




