FANTINA sy FINTINA

Miantso ny tanora ho saro-piaro amin’ny tolona natao ireo avy amin’ny Tambaben’ny mpitolona. Nohitsin’izy ireo fa natao ambanin-javatra ny fanabeazana raha ny hita any Antanimora Atsimo, tamin’ny fisian’ireo mpiadina CEPE nipetraka tamin’ny tany. « Mbola nahena indray anefa ny tetibola amin’izany sy ny fambolena », hoy izy ireo.
Notoloran’ny fanjakana “Commandeur de l’ordre national Malagasy », ny Inspecteur général eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, an’i Émirats Arabes Unis, i Ahmed Naser Al-Raisi. Nametaka izany, teny Iavoloha, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Tsiahivina fa efa nisahana ny lehiben’ny Interpol, ny taona 2021 – 2025, izy io.
Ho vita amin’izao fivorian’ny Antenimiera izao ny fanoloana ireo mpikambana miisa roa, nametra-pialana tao amin’ny HCC, araka ny nambaran’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Randrianasoloniaiko Siteny. Hotanterahina eny Tsimbazaza tsy ho ela ny fifidianana ireo solontena roa ho eny Ambohidahy.
Malalaka loatra indray ny fanehoan-kevitra ankehitriny, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa. Anisan’ ny notakiana teny an-kianja izany fahalalahana izany. « Tsy zakan’ireo very fahefana ny fanavaozana ka hampiasain’izy ireo ny kaonty sy pejy fako avy any ivelany ary efa fantatra ireo ambadik’izany », hoy izy.

Partager sur: