Other News

Antenimierandoholona : Hojerena ny haha marin-toerana ireo ben’ny Tanàna

Nandray ireo ben’ny Tanàna miisa valo avy amin’ny “Association des grande villes de Madagascar – AGVM” ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Natsidiny fa ho avy ny tolo-dalàna maromaro atolotr’ireo loholona ka tafiditra ao anatin’izany ny momba ny fahamarinan-toeran’ireo ben’ny Tanàna amin’ny fanatanterahana […]

VAOVAO TAMBATRA

Nampakatra 12% ny taham-bola fototra manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana 8,4% ny Banky foiben’i Madagasikara. Fepetra noraisiny noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny toekarena maneran-tany sy ny olana ara-barotra misy amin’izao fotoana. Mampirisika ny fanitsiana ny Tahirimbola iraisam-pirenena sy ny Banky iraisam-pirenena. Lasa fitaovana fampiasa amin’ny politikam-bola ny taham-bola fototra. Tsy hisy ny […]

30 taona ny Paositra rapida: Hanome tolotra tsara kalitao nefa mora

Nosokafanana tamin’ny alakamisy ny fankalazana ny faha-30 taona ny Paositra Rapida. Vanim-potoana ha­metrahany ireo fanamby vaovao sy goavana ary tolotra tsara kalitao ho an’ny mpanjifa. «Mivoitra manaraka ny toetrandro ny Paositra Rapida amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra hamantaran’ny mpanjifa ny fotoana ahatongavan’ny entany amin’ny sarany […]

Fifanarahana Bâle: Dinihina ny akora sy ny fako simika

Nisokatra ny 28 avrily teo, ary mifarana anio 9 mey, any Genève Soisa, ny fihaonamben’ny Fifanarahana iraisam-pirenena na « Conférence des Parties » (COP), andiany faha-17, mahakasika ny Fifanarahana Bâle, Rotterdam ary Stockholm (BRS). Lohahevitra dinihina ny « Fitantanana ara-drariny ny akora simika sy ny fako ». Nodinihina ny fiantraikan’ny akora simika sy ny […]