Other News

VAOVAO TAMBATRA

Heverina fa hihena ny vidin-tsolika mandritra ny volana jona sy jolay izao. Samy miandry izay avokoa ny mpanjifa ahafahana mikajy ny fandaniana isan-karazany. Tsiahivina fa niakatra manodidina 200Ar avokoa ny vidin’ny solika nandritra ny volana mey. Vidiny izay niantraika tamin’ny saran’ny zotram-pitaterana nasionaly. Heverina hiakatra indray ny vidin’ny entona fandrehitra. […]

Jono sy ny fiompiana trondro : Mitaky famatsiam-bola manodidina ny 300 tapitrisa dolara

« Tafakatra hatrany amin’ny 300 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ilain’i Mada­gasikara hanohanana sy hampiroboroboana ny toekarena manga », hoy ny tale jeneralin’ny toekarena manga, Rako­tosoa Rado, ny alarobia teo, nandritra ny famaranana ny fikaonandoha ho fanetsehana ireo mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka maharitra ho an’ny jono sy ny fihariana anaty rano. Fivoriambe […]

Tetikasa Agropole : Tsy misy mihitsy ny fivarotana tanindrazana

Fiaraha-miasan’ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa) sy ny orinasa israelianina LR Group amin’ny fametrahana tetikasa fambolena indostrialy Agripole eto Madagasikara. Nohitsian’ny Sekreteram-panjakana Razanamahefa Tahian’Ny Avo, fa tsy misy fivarotana tanindrazana, nandritra ny fanombohana ny tetikasa nametrahana ny tambajotran-tserasera sosialy, ny alahady 25 mey teo. An’ny Malagasy ny tany fa […]

Dr Souleman Ibrahim A.: “Tombony ho antsika ny Base Toliara”

Nitondra ny heviny momba ny tetikasa Base Toliara ny mpampianatra mpikaroka mo­mba ny “Geologie appliquée au développement et à l’environnement” eny anivon’ny Oniversite, ny Dr Souleman Ibrahim Andriamandimby. “To­m­bony ho an’ny mpianatra ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara. Ahafahana manao fampiharana sy  fikarohana”, hoy izy. Nanteriny fa manana ny sampam-pikarohana mo­mba […]