Misokatra amin’ny fiaraha-miasa ny eny ifotony. Nitondra ny anjara birikiny amin’izao hiatrehana ny fihaonana an-tampon’ny COI izao ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, Habibo Group. Niatrika izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, sy ny avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Nisitraka fitaovana marobe ho amin’ny […]
Other News
Mpandresy
Raha amin’ny finoana kristianina dia miditra anatin’ny vanim-potoan’ny fandresena miezinezina isika zanak’olombelona, manomboka anio. Hanamarika ny fitsanganan’ilay Kristy velona amin’ny alalan’ny fetin’ny Paka na Paska ny mpino maneran-tany. Raha ho an’ny eto Madagasikara aloha, tena fety miezinezina izany. Mitobaka ny zava-pisotro, tsy tambo isaina ny fety aman-danonana. Anisan’ny fotoana […]
Filoha Rajoelina Andry : “Tsy ekena ny fanakorontanana”
Hentitra ny filoha Rajoelina teny Mandroseza, omaly, manoloana ny fikotrehan’ny sasany fanakorontanana amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI. «Ankehitriny, manoloana ny fanambarana ataon’olom-bitsy etsy sy eroa: mipoitra ny saron-tavan’izy ireo. Satria manitsakitsaka ny soatoavina sy ny fifanajana: aiza eto an-tany no misy hoe handray vahiny dia hampirisika ny olona any […]
TSELATRA
Telo lahy tsy ampy taona mpamaky trano voasambotry ny zandarimaria tao Soavina Atsimondrano, Ankorondrano ary 67 Ha, afakomaly alina. Tratra teo am-pamakiana tranon’olona avokoa izy telo ireo. Lehilahy iray hafa tra-tehaka tao Tanjombato nitondra sakaosy nisy fitaovana fampiasany mamaky trano. Nosamborin’ny zandary ireo mpianaka nampihatra herisetra tamin’ny raim-pianakaviany tao Toamasina, […]
Sprinter nodomin’ny kamiao: Olona iray maty teny amin’ny RN2
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, Tanandava Toamasina, omaly tamin’ny 3 ora. Fiara sprinter iray, mpitatitra olona avy any Brickaville hihazo an’i Toamasina, no nodomina kamiao lehibe iray. Vokany, vehivavy iray, mpandeha tao anatiny, no maty tsy tra-drano. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny isan’ireo naratra. Anisan’ny naratra mafy, […]






