Hitondra vokatsoa amin’ny fitandroana ny tontolo iainana ny fahaiza-mitantana ny fako. Anisan’ny tombontsoa lehibe amin’ny fanodinana azy ho lasa vokatra azo ampiasaina ny famadihana ny fako ho lasa angovo. Nomarihin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Olivier Jean Baptiste, nandritra ny fanokafana ny Tsenaben’ny fako tetsy amin’ ny Carlton, […]
Other News
Andraikitra sosialy: Mpiasa 49 niofana mahakasika ny RSE
Misy ny lalàna mifehy ny orinasa tsy miankina amin’ny adidy tsy maintsy handraisan’izy ireo anjara amin’ny lafiny sosialy eo amin’ny toerana sy ny faritra iasany, antsoina hoe, «Andraikitra sosialin’ny orinasa» (RSE). Voarakitra ao anatin’ izany koa ny lafiny fitandroana ny tontolo iainana. Miisa 49 ny mpiasa avy any amin’ny Vondron’ny […]
Foibe Carso : Tohanana ny tanora amin’ny fandraharahana
Manomboka misy vokany ny fanohanana ny tanora amin’ny fandraharahana any Toliara. Homanina dieny aty am-boalohany koa izy ireo, ankehitriny, amin’ny fahatongavan’ny orinasa Base Toliara. Miara-miombon’antoka amin’ny Antenimieran’ ny varotra sy ny indostria Toliara (CCIT) sy ny tetikasa Tendro iraisan’ny rehetra hisian’ny fampandrosoana (Pic), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, ny Foibem-pandraharahana faritra Atsimo […]
SOMBIM-BAOVAO
Tafita eo amin’ny dingana ampahefa-dalana, ilay Malagasy mpilalao tenisy, Sarah Rakotomanga. Fifaninanana hiadiana ny « tournoi WTA 250 » atao ao Rouen. Omaly, nifanandrina tamin’ilay Neerlandaise, i Suzan Lamens, laharana faha-69 amin’ny laharan’ny WTA ny tovovavy. Tsy ao anaty ekipam-pirenena frantsay amin’ny tsipy kanetibe intsony, i Philippe Suchaud. Nosoloina an’i Ligan […]
“Pureplay Football League” : Ho fantatra ireo ekipa tafita «playoff»
Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro faha-11, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « World Cola PFL », taranja baolina kitra. Hafana tanteraka ity andro farany ity, hiady ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka ireo ekipa sahirana nandritra ny andro folo efa vita izay. Araka ny fikarohana natao, ilay toerana fahavalo sisa no […]






