Fandraisana andraikitry ny Fitondrana Fanavaozana ny hanatsarana ny lalàna sy hanamora ny famokarana ary hitarika ny fitondrana foibe ho amin’ny fanavaozana, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Nandritra ny fitokanana ny orinasa fanodinam-bokatra ao Vohilava, kaominina ambanivohitra Anosy Tsararafa, Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo no niresahany izany. […]
Other News
Dieny izao…
Hatramin’izao, tsy mazava be ihany amin’ny ankamaroan’ny olom-pirenena ity hoe fikaonandoham-pirenena. Miainga any ifotony, eny anivon’ny fokontany? Izay vao miakatra eny amin’ny kaominina, distrika, Faritra… Amin’ny fomba ahoana na iza no hikarakara, iza no handray anjara… ? Zavon-tany ny fanontaniana. Mila valiny, fanazavana.. Ndrao izay hatao hamahana olana indray no […]
Fandaharanasan’ny Fanavaozana : Hanohana ara-bola ny Sadc
Noraisin’ny minisitry ny Fanavaozana ny Repobika, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, ireo iraky ny Sadc tarihin’i Joey Bimha teny Antaninarenina, ny zoma teo. Nivoitra tamin’izany ny fanohanan’izy ireo ny fikaonandoham-pirenena. Nampahafantarin’ny minisitra tamin’ireto iraky ny Sadc ireto ny tetibola ilain’ny fitondram-panjakana hoentina manatanteraka ny fikaonandoham-pirenena. «Nangataka ny tetibola ilaintsika momba izany […]
Kick Boxing: Lany ho filohan’ny federasionina Rafidison José
Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny kick boxing. Lany ho filoha Rafidison José. Nafanafana ny fifidiananana natao teny Mahamasina ary naharitra ora maromaro mihitsy izany. Ligy 14 no tonga nanatrika sy nandatsa-bato. Rehefa vita ny fanaraha-maso ny antontan-taratasy rehetra, nirosoana ny fivoriambe sy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao hihaonan’ny Disciples FC Espoir Analamanga sy ny Valahara FC Vakinankaratra. Fihaonana izay tafiditra amin’ny fiodinana faharoa amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Yas Coupe 2026. » Hotontosaina rahampitso, ao amin’ny Kianjan’ny Camp Nou, Espaina, ny fihaonanan’ny FC Barcelone sy ny […]






