Other News

Motorshow 2025 : Nahasarika olona maro ireo fiara hiaka farany

Nianoka ny fahafinaretan’ny taranja mekanika ireo mpitsidika tonga maro tetsy Mahamasina nandritra ny “Motorshow 2025”, andiany faharoa. Afapo ny maso, nahazo fafiny ny vatana nahita sy niaina ireo fireondreon’ny moteran’ireo fiara sy kodiaran-droa naseho nandritra ny roa andro. Fahombiazana ny “Motor­show 2025”, andiany faharoa. Fihaonana sy fampirantiana ireo fiara sy […]

Vokatry ny ady teny an-dalana : Lehilahy iray maty voahitsaky ny fiara tetsy Anosibe

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona te­tsy Anosibe, ny alahady atoandro, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany, lasa teo. Nisan­gisangy ary heverina ho raikitra ady teny afovoan’ny arabe akaikin’ny Rond-point « Akoho », ireo roa lahy, 42 sy 38 taona. Voalaza fa mamo ny lehilahy iray tamin’ireo izay nitarika ny ady, raha […]

Sekretera nasionalin’ny Arema: «Tokony hohenoina ny feon’ny vahoaka»

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Arema. Nitodika amin’ny rehetra izy ireo manoloana izao raharaham-pirenena izao. Nambaran’ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, fa efa nampianarin’ny ray aman-dreny hifankatia sy hifanasoa ny Malagasy rehetra. “Aoka isika samy hitady ny hanasoavana ny mpiray tanindrazana”, hoy izy. Notsiahiviny fa nisintona ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny ny Arema […]

Fanodinana ny vokatra cacao : Manomboka liana amin’ny fanjifana sokola ny Malagasy

Efa miha liana amin’ny fanjifana sokola ny Malagasy, raha ny zavatra hita sy tsika­ritra nandritra ny Foa­ran’ny sokola tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy teo. Ani­san’ny sakafo ankafizin’ny besinimaro ny sokola noho ny hamaroan’ny tombontsoa entiny amin’ny vatana sy ny fahasalamana. Sakafo mitahiry singa maro ilain’ny vatana ny sokola. Sakafo […]

TARATRY ny KANTO

Raikitra indray ny « Concert à l’U », na ny fampisehoana zavakanto eny amin’ny Oniversiten’Anta­nanarivo. Hotontosaina ny zoma 18 avrily izao izany, manomboka amin’ny 3 ora, ao amin’ny Craam Ankatso. Hifandimby an-tsehatra amin’io ry Kabôsy Spirity, Mbaoé, MTF, Rolf ary ny Vain’Af. Gadona maroloko, kanefa maneho ny lokon’ny mozika fanome sehatra eny […]