Other News

FANTINA sy FINTINA

Miompana amin’ny fanomezana malalaka ny vehivavy sy ny tanora hiditra anaty tontolo politika sy fampandrosoana ny firenena ny fanaovan-tsonia nandritra ny “Sommet Mahasaky Women and Youth”. Tafiditra ao anatin’izany ny demokrasia, ny fampandraisan’anjara ary ny fampivelarana ny tanora sy ny vehivavy. Mitaky ny hametrahana mazava ny drafitra iton­drana ny Fanavaozana […]

Diplaomasia : Nampitoviana tadin-dokanga ireo ambasadaoro vaovao

Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Alice N’Diaye, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly, ireo ambasadaoro malagasy dimy vaovao voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 28 avrily lasa teo. Eo ny ambasadaoro isany Rabemahefa Michel hiasa ny Frantsa; Randriamiandrisoa Edelin Calixte, any Soisa, sady solontena maharitra eo anivon’ny Firenena mikambana any […]

Samy milomay

Mandeha tsikelikely ny firosoana any amin’ny tetezamita ka ahafahana manatanteraka ny fifidianana. Efa nivoaka ireny ny datim-pifidianana vonjimaika. Hanao fitsapan-kevi-bahoaka sy hifidy izay ho filoham-pirenena ny Malagasy amin’ny taona ho avy. Efa mipetrapetraka ny fanomanana, hoy ny vaomiera mahaleo tena misahana izany. Miandry ny ankolafin-kery hafa sisa satria mbola miandry […]

Fitantanana ny fifidianana : Handraisan’ny Ceni fepetra ireo tsy nanara-dalàna

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny biraon’ny Ceni, notarihin’ny filohany, Rakotonarivo Thierry, omaly, tetsy Alarobia. Nambarany fa efa natao ny fanadihadiana amin’ireo rantsa-mangaikan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity hatreny ifotony. Nohitsiny, tamin’izany, fa misy ireo mpikamban’ny Ceni, tsy mendrika intsony. Nandika lalàna sy tsy nanaja ny fitsipiky ny Ceni. Tao […]