Nivoaka, omaly, tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, ny didy momba ny raharaha nahafaty ny solombavambahoaka voafidy tany Betioky Atsimo, Jean Jacques Rabenirina. Olona fito no voarohirohy, izay nahitana ny mpamilin’ny kamiao sy dokotera enina. Taorian’ny didy, voaheloka higadra 18 volana noho ny fanaovana vono olona tsy nahy, miampy fandoavana […]
Other News
Hasarotam-piaro : Noleran-drangahy antsy ny kibon’ny vadiny
Naratra mafy notsatoham-badiny antsy ny renim-pianakaviana iray tao Dépôt, kaominina Toamasina, faritra Atsinanana, omaly atoandro. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ilay rangahy. Nentin’ny nanatri-maso nihazo ny hopitaly ny renim-pianakaviana iray voatsindona antsy teo amin’ny kibony, tao Dépôt, Toamasina, omaly atoandro. Tsy lavitra ny toeram-piasan’io ramatoa io, nifamaly tamin’ilay rangahy vadiny izy, araka […]
« Star Tour » Antananarivo: Andrasana fatratra ny tarika Rossy
Sambany hanafana ny «Star Tour» ny tarika Rossy… Anisan’ireo nanomboka ny «THB Tour» taloha kosa anefa, ary mbola mitoetra ankehitriny ny lazan’ilay hira «THB» nataon’i Rossy hatramin’izao. Anisan’ny vaovao lehibe ho an’ny mpankafy ny nahafantarana fa iray amin’ireo mpanakanto hanafana ny «Star Tour 2026» eto Antananarivo, etsy amin’ny Coliseum ny […]
TARATRY ny KANTO
Hanatanteraka ny «Festival de musique chrétienne» andiany faharoa ny Orchestre Philharmonique.Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny Paroisse internationale Andohalo, ny alahady 21 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fizarana voalohany, hitendren-dry zareo ny «chants liturgiques» voarakitra ao anatin’ny Tiona sy ny Antema FFPM. Ny tapany faharoa, hamelomana ireo «classiques sy oratorios», […]
« Fetin’ny Mozika » : Hifarimbonan’ny vao misondrotra sy ny kalaza
Efa ho 30 taona izao no nanamarihana koa ny « Fetin’ny mozika » taty Madagasikara. Niova lamina, toerana lehibe kokoa ny eto Antananarivo amin’ity. Lasa toerana fanaovana fampisehoana ankalamanjana ny etsy anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo. Mbola handray koa ny «Fetin’ny Mozika 2026», izay fikarakaran’ny AFT Andavamamba, ny toerana, ny sabotsy 20 jona izao. «Ny […]






