Other News

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao niely tao anaty tambajotra, omaly, dia nisongadina indray i Njiva, lohalaharan’ny Barea. Nahatafiditra baolina telo, tamin’ny lalao nihaonana tamin’ny Khonkaen FC, ny tenany, ny alahady lasa teo, tany Thailande. Nandresy tamin’ny isa 7 no ho 4 moa ry Njiva sy ny klioba misy azy: Ratchaburi FC. Mandray […]

Club Natation ESCA : Dimy taona nioty fahombiazana

Anisan’ireo sekoly manana klioba eo amin’ny taranja lomano ny Esca Antanimena. Feno dimy taona amin’ity ny Club natation Esca. Tsy navelan’izy ireo handalo fotsiny izany fa nankalazainy niaraka tamin’ireo mpianatra beazina ao an-toerana. Tamin’ny alalan’ny fifaninanana isaka ny kilasy, no natao ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny dobo filomanosana Esca. […]

ASIEF 2025 : Taranja 21 no hifaninanana

Anatin’ny fanomanana sahady ny fifaninanana nasionaly, izay hatao any Mahajanga, ny eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), amin’izao fotoana izao. Fepetra maro no horaisina amin’ity taona ity mba hanatsarana ny fifaninanana. Anisan’ny zava-dehibe ny mahakasika ny taranjam-panatanjahantena hifaninanana izay hisy vaovao amin’ity taona ity, raha ny […]

Karate – DAF : Miditra amin’ny andiany faharoa ny fiofanana

Efa eo amin’ny andiany faharoa ny fampiofanana ho an’ireo mpampianatra karate, hahazoana ny mari-pahaizana DAF(Diplôme d’animateur fédéral). Mpiofana 16 mianadahy no manaraka izany, nanomboka ny alahady lasa teo. «Haharitra dimy herinandro eo ny fiofanana hatrehan’ireo mpampianatra ny taranja karate , andiany faharoa ireo » hoy ny filohan’ny Federa­sionin’ny karate-do malagasy (FKM), Ratefinanahary […]

Fizahantany : An-jatony ny handray anjara amin’ny ITM 2025

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Mada­gasikara (ONTM) sy ireo mpiara-miombon’antoka, handray anjara amin’ny “Inter­national Tourism Fair Mada­gascar (ITM) 2025”. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny asa tanana, Dewa Viviane, sy ny tale jeneralin’ny ONTM, Bari­velo Danny. Andiany faha-11 […]