Mitohy ny atrikasa ho an’ny teatra, isaky ny zoma manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny Craam Ankatso. Natao ho an’ireo liana ka te hisehatra amin’ny teatra izany, hampitana ny fahatokisan-tena, ny fomba fisehatra rehetra, ny fihetsika eo no ho eo, ny fiainana ny tantara araka ny nanaovan’ny mpanoratra sy […]
Other News
STK 50 taona: Santarina amin’ny fampisehoan’Antsan’i Kristy
Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ny Sampana tanora kristianina (STK) eo anivon’ny fiangonana FJKM. Hosantarina amin’ny fampisehoana rindran-kira Antsan’i Kristy, atao etsy Antsahamanitra, ny 11 mey ho avy izao, izany. Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny seho. Hisokatra amin’ny 10 ora sy sasany ny vavahady. Hanafana sy hanentana eny an-toerana […]
“La Poésie de Madagascar”: Tamban-tononkalo, sanganasana poety 30
Misongadina maneran-tany ny poeta malagasy, namoaka sanganasa amin’ny teny frantsay. Nisafidy ny sanganasan’ireo poeta 30 i Dominique Ranaivoson, natambany tanatin’ity boky « La Poésie de Madagascar » ity. Jean Joseph Rabearivelo, Samuel Ratany, Dox, Jacques Rabemamanjara, Régis Rajemisa Raolison, David Jaomanoro, Esther Nirina, Henri Ratsimbazafy… Anarana poeta tany aloha tany, […]
Fiarahamonina: Very hasina ny vehivavy malagasy?
Ny vehivavy fanaja. Niova dika sy hevitra ny atao hoe haja, ankehitriny. Tahaka izany koa ny hasina nomen’ny fiarahamonina azy ireny. Nanjary voasolo zavatra hafa. Mety efa ho saro-tadiavina ny vehivavy mendrika ny ho reny, satria, efa sady maty hasina no very haja… Manao randra-mitarika any amin’ny firenena izany. Amidy […]
SOMBIM-BAOVAO
Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny andiany faharoa tamin’ny delegasiona malagasy niatrika ny “Open Africa” natao tany Maorisy, teo amin’ny taranja Jiu-jitsu Brezilianina. Tsiahivina fa nitondra avo ny voninahi-pirenena ireto solontena malagasy ireto, nahazo medaly volamena 20 be izao. Hanatanteraka fitiliana hitsinjovana ny Barea aty aoriana ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), […]






