Other News

Mihetsiketsika be!

  Mbola mafampana ny raharaha politika. Mangotran­gotraka kely taorian’ilay raharaha “Patrick Gate”. Ampamoaka nipoapoaka, niafara tamin’ny fanesorana ny lehiben’ny mpanao famotorana teo anivon’ny zandarimaria. Tsy mbola mangina tanteraka akory ilay fanambaran’ny kolonely. Samy mifampitazantazana sy mifampiandriandry ny rehetra. Tsy maintsy mailo sy malina ny olom-pirenena. Mila mitandrina amin’ny zava-drehetra mba […]

Dinika any Paris momba ny “Iles Eparses”: Hitarika ny delegasionina ny praiminisitra Ntsay Christian

Efa maka bahana. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fanendrena ireo handrafitra ny vaomiera iraisana “Commission mixte”. Hisolo tena an’i Madagasikara hivory momba ny “Iles Eparses” any Paris ny 30 jona ho avy izao izy ireo. Hifampidinika sy hifampiresaka amin’ny delegasionina Frantsay mom­ba ireo Nosy malagasy “Iles Eparses” izany delegasionina harafitra […]

TSELATRA

Tovovavy iray 16 taona voalaza fa mpamosavy no tratran’ny miaramila tany Andilamena, omaly. Niboridana tanteraka izy io nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Anisan’ny ampijalian’ny mpamosavy isaky ny alina ireo miaramila any an-toerana ka izao tsy namela nahazo izao. Efa nalefa any amin’ny lehiben’ny fokontany ity farany taorian’izay ka […]

Nanaparitaka horonantsary mamoafady : Teratany vahiny naiditra am-ponja ao Mahajanga

Notanana am-ponja vonjimaika ao Marofoto Mahajanga ny teratany vahiny iray 69 taona, tratra nanaparitaka sary mamoafady, ny 7 mey teo. Voasambotry ny polisy miady amin’ny heloka ana habaka taorian’ny fiaraha-miasan’izy ireo sy ny fikambana “Child Rescue Coalition” any Etazonia, io lehilahy io. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa misy olona mivelona […]

Maroantsetra : Rongony 30 kg tra-tehaka

Zava-mahadomelina 30 kg saron’ny fokonolona tao Ampitsahantelo, fokontany Soanierana, kaominina Maroantsetra, ny 6 mey teo. Nentina roa lahy tamin’ny sakaosy ireo rongony ireo. Nampiseho fihetsika hafahafa ireo roa lahy rehefa nahatazana olona tamin’ny lalana, tamin’ny 10 ora maraina. Nasaina nijanona hanaovana fanadihadiana izy ireo saingy nandositra. Natsipin’izy ireo avy hatrany […]