Other News

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 5 ny mpampiasa vola vahiny amin’ny fizahantany vonona ny handraharaha eto Madagasikara. Toerana 15 no efa hita azo hananganana fotodrafitrasa an’ny fanjakana na koa tsy miankina. Vondrona fandraisam-bahiny lehibe 7 ihany koa no efa nilaza fa liana ho eto amintsika. Anisan’ny paikady hampiroboroboana ny fizahantany avokoa ireo. Hapetraka ny […]

Morondava: manana ny anjara toerany ny rano

Nankalazaina omaly 22 marsa, tany Morondava, ny Andro maneran-tany ho an’ny rano. Lohahevitra noraisina ny hoe « Rano antoky ny filaminana ». Mikendry ny hanasongadinana ny anjara asa lehiben’ny rano amin’ny fampiroboroboana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, ny fiaraha-miasa ary ny fampandrosoana maharitra. Nitarika ny fotoana, tany Morondava, ny minisitry […]

Fiompiana trondro: hatao fivelomana andavanandro ho an’ny isam-pianakaviana

Anisan’ny paikady hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fampiroboroboana ny fiompiana trondro. Azo atao ny manatanteraka azy, na amin’ny toerana tery eny an-tokotany aza. Vitsy ny misehatra amin’ny fiompiana trondro eto amintsika. Nitsidika ny Foibe fikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra (Fofifa) eny Ampandrianomby, ny minisi­try ny Jono sy ny toekarena […]

Rugby – «Top 12 Mada» : hanala vela amin’ny Cosfa ny Uscar

Hanomboka rahampitso, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby « Top 12 Mada ». Telo ireo lalao voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana andra­san’ny rehetra ny an’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Uscar (Kao­minina Antananarivo Reni­vohitra). Hanala vela amin’ity ry zareo Uscar. Raha tsiahi­vina, izy ireo no niatrika […]

SOMBIM-BAOVAO

Tontosa, omaly, tao amin’ny Kudeta Anosy, ny lanonana namaranana tanteraka ny andiany faha-10 amin’ny “Smatchin”, taranja basikety. Fotoana niarahana nifety tamin’ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara ity hetsika ity. Voatsonga ho mpilalao mendrika ka nahazo ny “mention honorable” i Mathias M’Madi, Malagasy mpilalao basikety. Nisongadina tanteraka izy nandritra ny taom-pikatrohana […]