Hanao ba kiraro tsy mitovy maroloko ny daholobe, anio, ho fanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny trisomie 21. Afaka miara-miaina anaty fahasamihafana no hafatra tiana ho voizina amin’ny hetsika iraisan’ny firenena maneran-tany ka hanentanana ny Malagasy handray anjara. Hitohy ny rotsakorana amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy, hiitatra amin’ny […]
Other News
Raharaham-pirenena: haka fanapahan-kevitra Razanamahasoa Christine
Nitondra ny tenin’ny filohan’ ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, ny tale kabinetrany, Ratolojanahary Maharavo (Doudou), omaly, tetsy Tsimbazaza. Nambarany fa hatao ny sabotsy izao, eny amin’ny Antenimierampirenena ny famoriana ny herivelona rehetra, hihainoan’ ny filohan’ity Andrimpanjakana ity ny feon’izy ireo. “Miantso ny rehetra izy ary hihaino ny hevitra sy ny vahaolana […]
Fifidianana depiote: mametra-pialana ireo minisitra ho kandidà
Mazava ny voalazan’ny lalàna, momba ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka, ho an’ireo sokajin’olona sasany amin’ny andraikitra sy ny asa sahaniny avy. “Mametra-pialana avy hatrany ireo minisitra na governoran’ ny faritra am-perinasa rehefa tafiditra ao anatin’ny lisitra ofisialin’ny ho kandidà solombavambahoaka, havoakan’ny rafitra mikarakara sy misahana ny fifidianana”, hoy ny sekretera […]
Diplaomasia : miabo ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny any ivelany
Misokatra sy mivelatra hatrany amin’ireo firenena maro i Madagasikara. Mitombo miaraka amin’izay ny fiaraha-miasa amin’ireny firenena ireny, indrindra amin’ireo tetikasa miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka. Tontosa, omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny lanonana nanoloran’i Ji Ping, masoivoho vaovaon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, sy i Kate Chamley, masoivoho vaovaon’i Australie, ny taratasy […]
Ramakavelo Faly : “Tsy mazava ny tetiky ny mpanohitra”
“Raha raisina amin’ny stratejia politika, tsy mazava ny stratejia politikan’ny mpanohitra”, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Mazava be kosa ny stratejia politikan’ny eo amin’ny fitondrana: efa voafidy ny filohan’ ny Repoblika dia mitambatra izay manohana azy; avy eo, ataony izay hahazoany ny maro anisa eny amin’ny Antenimierampirenena […]