Araka ny efa fantatra, mivory ara-potoana ny eny amin’ny Antenimierampirenena, amin’izao fotoana. Fotoana, voalohany, handaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panovana (PLFR 2026). Hanitsiana sy handaniana ireo tolo-dalàna sy volavolan-dalàna ary hanoloran’ny governemanta ny tatitra mahakasika ny fanatanterahana ny fandaharanasany ihany koa. Hitondran’ny minisitera tsirairay avy fanazavana amin’ireo fanontaniana hapetraky […]
Other News
Famokarana : Ambany ny fanarahantsika ny fenitry ny fanondrana
Sakana tsy hahafahana mivelatra sy manitatra ny tsenam-panondranana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsy fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana “Norme sanitaire et phytosanitaires” (SPS) eo amin’ny vokatra aondrana. Voakasika izany ny vokatry ny fambolena (lavanila, jirofo, cacao) sy an-dranomasina eto Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa natao teny amin’ny Sekoly ambony […]
FANTINA sy FINTINA
Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo, omaly, ny ambasadaoron’i Korea Atsimo, i Ji- Hyun Park. Nohamafisiny, tamin’izany, ny fahavononan’i Korea Atsimo hanohana ny fitondrana Fanavaozana amin’ny fanarenana an’i Madagasikara. Voaresaka koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ifandraisan’ny firenena roa tonta. Misy antony fa tsy tongatonga hoazy ny […]
Razafimahefa Herimanana : “Ny fitiavan-tseza tafahoatra no tena olana eto”
“Ny tena zava-doza, izay tonga eo amin’ny fitondrana, misy ny fitiavan-tseza tafahoatra sy ny tsy fitsinjovana ny maro an’isa. Izay no tena olana. Manao izay mahatsaratsara ny fiainany sy ny fianakaviany izay tonga eo”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha sady filohan’ny antoko Fanarenana, Razafimahefa Herimanana, manoloana ny […]
Hafakely ilay Malagasy
Tena tsy mbola nisy tato anatin’ny 60 taona ara-bakiteny ny ankamaroan’ny zava-mitranga amin’ny tontolo politika eto Madagasikara! Taiza no misy fanendrena mpiasam-panjakana ambony, vao tsy miely akory ny vaovao dia efa manebaka eny amin’ny tambajotran-tserasera ny mpiasa. Mahatonga saina sy mampametra-panontaniana ny zava-miseho? Tombontsoa goavana manao ahoana loatra ny ao […]






