Ao anatin’izao volana jona, natokana ho an’ny ankizy izao, manomana hetsika iray itambaran’ny fanatanjahantena sy fialamboly antsoina hoe: “Ndao isika hilalao” ny Taches d’huile. Fikambanana ivondronan’ireo mpianatra fahiny tao amin’ny Academie nationale des sports (ANS). Nandritra ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety teny Ampefiloha, ny alakamisy lasa teo, no […]
Other News
Pureplay Football League : Klioba efatra hiady ny lelavola iray hetsy dolara
Hifampitaona etsy amin’ny Kianja CFFA Iavoloha ny Malagasy mpankafy baolina kitra maro hijery ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara (PFL). Hotontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara na Pureplay Football League (PFL). Klioba efatra no hifaninana amin’izany […]
Brésil sy Maroc; Hifanandrina rahampitso amin’ny 1 ora maraina
Anisan’ny fihaonana goavana andrasan’ny mpitia baolina kitra maneran-tany, indrindra ny vahoaka afrikanina, ny fifandonan’ny Seleçao Brésil sy ny Lions de l’Atlas avy atsy Maroc. Amin’ny 1 ora maraina eto Madagasikara no handeha ny lalao. Miditra ao anatin’ny andro fahatelo sahady ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja baolina kitra, […]
Bagasy – tarika R’Imbosa: Hampahafantatra ny tantaran’ny hirany
Hiavaka ny « Zarasehatra » hotanterahina anio tolakandro, etsy amin’ny efitrano malalaky ny Trano fiantohana Aro Antsahavola. Ankoatra ny fihirana, hampahafantatra ireo tantara niforonany sy ny lalana nodiavin’ny hira tsirairay ny tarika R’Imbosa. Hifanindran-dalana amin’izany ny tantaran’ireo mpamoron-kira. Anisan’izany i Justin Rainizanabololona, Samuel Rahamefy, Justin Rajoro, Naka Rabemanantsoa, Naly Rakotofiringa, sns. Iray […]
« Ainteny » : Roa andro hanomezan-danja ny teny malagasy
Sehatra maro no ampiasana sy azo anomezan-danja ny teny malagasy. Sokajy maromaro amin’ireo no hasongadina mandritra ny roa andro. «Ainteny». Tsy diso fanoratra akory fa tena izay mihitsy no anarana nampisalorana ny hetsika. « Ainteny, satria aina ny teny. Miaina ny teny. Aintsika Malagasy tsirairay sy ny firenena ny teny. Isika […]






