Other News

Tobim-pamokarana herinaratra 5MW: Hovitaina ao anatin’ny efa-bolana

Vitaina anatin’ny fotoana fohy ny fanatanterahana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ao Mahajanga. Napetraka ny zoma teo ny vato fototra hanatanterahana ny tetikasa. Efa-bolana. Izay no faharetan’ny fanamboarana ny tetikasa tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro hapetraka ao Mahajanga. Hanana tanjaka 5MW ny tetikasa ka tanjona ny […]

Volley-CCCZone 7 : Tompondaka lefitra ny GNVB, lehilahy

Nifarana ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, natao tany Maorisy. Voahosotra ho tompondaka lefitra ny GNVB (Gendarmerie Nationale de Volley Ball) lehilahy, rehefa resin’ny Gecko Volley ball (TGV) tamin’ny seta 3 no no 1 (25-19/23-25/25-22/25-21), teo amin’ny lalao famaranana, […]

Smatchin : Resin’ny Emit 41 no ho 32 ny ITU

Niditra tamin’ny andro fahatelo, omaly, ny fifaninanana Smatchin, taranja basikety, andiany faha-11. Fifanina­nana tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, nanomboka ny zoma 7 marsa lasa teo. Lalao anisan’ny notontosaina, omaly, ny fihaonan’ny ekipan’ny ITU sy ny Emit ary nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 41 […]

Rugby – «Sevens challenger series»: Tafita ho any Pologne ny Makis de Madagascar

Manohy ny lalany amin’ny fiadiana ny «sevens challenger series», taranja rugby lalaovina olona 7 ny Makis de Madagascar, lehilahy. Tafiditra ao anatin’ireo firenena valo voalohany, nahazo ny tapakila hiatrehana izany ny Malagasy taorian’ny fahavitan’ireo dingana roa natao. Tontosa ny sabotsy 8 marsa lasa teo, tao amin’ny kianja Athlone Sport Stadium, […]