Mihazakazaka ny asa fanamboarana ny arabe « voie rapide », mampitohy an’Ambohitrimanjaka sy Ivato. Mirefy 18 km, miainga eny amin’ny vahilava Ambohitrimanjaka, mivoaka eo amin’ny fihodinana Andranotapahina ary mivoaka any Ivato. Arabe azo andehanan’ny fiara efatra, roa isanisany, mandroso sy miverina. Manao ny asa ny orinasa China Road and Bridge Corporation (CRBC). […]
Other News
Madagasikara-Congo : Miombona amin’ny tontolo maitso
Mampivondrona ny heriny hametrahana tontolo maitso i Madagasikara sy i Congo. Tanjona ny hikajiana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana. Niara-nankalaza ny «Andro afrikana ho an’ ny tontolo iainana» sy ny «Andro Wangari Maathai» i Madagasikara sy i Congo, ny 3 marsa 2025 teo. Natao teny amin’ny fokontany Antolojanahary, kaominina […]
TARATRY ny KANTO
Nampahafantarina omaly, ilay fifaninanana « Prix mille et l’espoir africain » amin’ity taona 2025 ity. Mifototra amin’ny fanoratana tantara fohy momba ny tena izany, izay katsahaina hizara fanantenana. Manana hatramin’ny 10 avrily ireo liana te handray anjara. Marihina fa firenena 23 aty Afrika no hahazo fanohanana amin’ny famoahana ny bokin’ireo mpanoratra izay […]
«Tour Sud de Madagascar » : Hihazo ny ilany atsimon’ny Nosy i Zook Davids
Hira ho an’ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora. Fampitan-kafatra amin’ny alalan’ny fihetsika sy fitafy mahasarika ny ankizy… Ampahany mampiavaka an’i Zook Davids amina mpanakanto hafa ireo. Fantatra fa hanatanteraka fampisehoana mitomandavana any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny izy. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Tour Sud de Madagascar », hotontosaina ny […]
Fampianarana zavakanto : Mila ampitoviana ny « hay »
Na mifanalavitra be. Na mifanipaka tahaka ny atsimo sy avaratra. Antony iray tsy mampitovy ny zavatra hain’ireo mpianatra niofana tany amin’ny toeram-pampianarana samihafa. Ny mpampianatra sasany nampiana-tena. Ny hafa voky traikefa. Ny ankoatra ireo, nandalina na nianatra tany ivelany… Vokatr’ireo, samy hanana ny hainy sy ny manavanana azy ry zareo […]







